Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 46:24 - Baiboly Katolika

24 Mangaihay ny zanaka vavin’i Ejipta; natolotra eo an-tanan’ny firenena any avaratra izy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Ho afa-baraka i Ejipta zanakavavy, hatolotra eo an-tanan’ny olona any avaratra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

24 Rakotra henatra ny mponin’i Ejipta: eo an-tanan’ny vahoaka avy any avaratra no efa nanolorana azy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Rakotra henatra ny mponin’i Ejipta: eo an-tanan’ny vahoaka avy any avaratra no efa nanolorana azy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ho afa-baraka Egypta zanakavavy, Hatolotra eo an-tànan’ny olona any avaratra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ho afa-baraka Egypta zanakavavy, Hatolotra eo an-tànan'ny olona any avaratra izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 46:24
6 Rohy Ifampitohizana  

Ry zanaka vavin’i Babilôna voatolotra ho amin’ny fandringanana, sambatra izay hamaly anao, araka ny ratsy nataonao taminay.


Fa inty aho miantso ny fianakaviana rehetra amin’ny fanjakana any avaratra, - teny marin’i Iaveh. - Ka ho avy izy, ary samy hametraka ny seza fiandrianany eo am-pidiran’ny vavahadin’i Jerosalema, eo anoloan’ny mandany rehetra manodidina, ary eo anoloan’ny tanànan’i Jodà rehetra.


Miakara any Galaada, ka makà ditin-kazo manitra, Ry virjiny, zanaka vavin’i Ejipta. Mampitombo ny fanafody foana ianao; fa tsy hanam-pahasitranana tsy akory.


Izao no lazain’i Iaveh: Indro, misy rano be misondrotra avy any avaratra; dia tonga sahala amin’ny renirano maria tondraka, ka hanafotra ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, na ny tanàna, na ny mponina. Mihorakoraka ny lehilahy, ary midradradradra avokoa ny mponina amin’ny tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra