Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 36:29 - Baiboly Katolika

29 Ary lazao amin’i Jôakima mpanjakan’i Jodà, hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Ianao nandoro iny horonan-taratasy iny, sady nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’iny fa hoe ho avy tokoa ny mpanjakan’i Babilôna, ka handrava ity tany ity, ary hataony tsy hisy olona na biby intsony eto?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Ary ny amin’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Ianao dia efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka niteny hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan’i Babilona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin’ny biby eto?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

29 Avy eo ny amin’i Jôiakima, mpanjakan’i Joda, dia hataonao hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Nosoratan’i Jeremià tamin’ny horonan-taratasy fa tsy maintsy ho avy ny mpanjakan’i Babilôna, ka handrava ity tany ity ary handringana ny olona sy ny biby fiompy eo; kanefa nanakiana azy i Jôiakima sady nandoro ny horonan-taratasy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Avy eo ny amin’i Jôiakima, mpanjakan’i Joda, dia hataonao hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Nosoratan’i Jeremià tamin’ny horonan-taratasy fa tsy maintsy ho avy ny mpanjakan’i Babilôna, ka handrava ity tany ity ary handringana ny olona sy ny biby fiompy eo; kanefa nanakiana azy i Jôiakima sady nandoro ny horonan-taratasy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary ny amin’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan’i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin’ny biby eto?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin'iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan'i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin'ny biby eto?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 36:29
21 Rohy Ifampitohizana  

Ianjeran’ny fahoriana aman-tebiteby izy, hoatra ny mpanjaka àry fitaovan-kiady no fiantorak’ireny aminy.


Satria nanainga tanana hamely an’Andriamanitra izy, nihaika ny Tsitoha izy,


Tianao va ny hanafoana ny fananako ny rariny, dia hanameloka Ahy mba hanamarina ny anao?


dia ireo manameloka olona noho ny teniny indraimbava; mamela-pandrika ho an’izay namaky betroka azy eo am-bavahady; ary mamery ny marina amin’ny laingany.


Izy ireo manao amin’ny mpahita hoe: «Aza mahita»; sy amin’ny mpaminany hoe: «Aza maminany ny zava-marina aminay, fa zava-mahafinaritra no lazao aminay; hevi-dravina no vinanio.


Loza ho an’izay miady hevitra amin’ilay namorona azy, nefa tavim-bilany isan’ny tavim-bilany tany ihany izy. Ny tanimanga va hilaza amin’izay namolavola azy hoe: «Inona ity ataonao?» Ny asanao va hanao hoe: «Tsy manan-tanana izy?»


Satria hahatonga loza, fa tsy soa amin’ity tanàna ity, no nitodihan’ny Tavako azy, - teny marin’i Iaveh, - dia hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna izy, ka hodorany ho levona amin’ny afo.


Hataoko mihatra amin’izany tany izany avokoa ny teny voalazako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra amin’ity boky ity. Ny novinanin’i Jeremia hamelezana ny firenena rehetra.


dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.


Ahoana no aminanianao amin’ny Anaran’i Iaveh hoe: ‹Ho tahaka an’i Silao ity trano ity, ary ho lao tsy misy mponina ity tanàna ity?› » - Dia nitangoronan’ny olona rehetra tao an-tranon’i Iaveh i Jeremia.


Ireo mpaminany teo alohanao sy talohako, hatramin’ny andro ela, dia efa naminany ady sy loza ary pesta, ho amin’ny tany maro amam-panjakana lehibe


Fa nasain’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà notanana izy, nataony hoe: «Nahoana ianao no maminany manao hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro hatolotro ny mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity, ka ho azony;


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Eto amin’ity fitoerana ity, izay efitra tsy misy olona na biby, sy eo amin’ny tanànany rehetra dia hisy fialofana ho an’ny mpiandry biby, hampandriany eo ny biby fiompiny.


Vao toko telo na efatra no voavakin’i Jodì, dia notapahin’ny mpanjaka tamin’ny antsipìkan’ny mpanoratra, ilay taratasy, ka natsipiny tao anatin’ny afo tao am-patana, mandra-pahalevon’ny afo tao am-patana ny horonan-taratasy manontolo.


«Efa noraranay mafy ianareo mba tsy hampianatra amin’izany Anarana izany, kanjo vao mainka naelinareo eran’i Jerosalema ny fampianaranareo, ary izahay indray tadiavinareo hianjeran’ny ran’iny Lehilahy iny.»


fa raha avy amin’Andriamanitra kosa, tsy ho hainareo foanana velively, sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra ianareo.»


Te-hampahasaro-piaro ny Tompo angaha isika? Mahery noho Izy va isika?


Tsy hanaiky hamela heloka izany olona izany i Iaveh, fa hirehitra amin’izany olona izany ny fahatezeran’i Iaveh sy ny fahasarotam-piarony ka hianjera aminy avokoa ny ozona rehetra voasoratra amin’ity boky ity, ary hovonoin’i Iaveh tsy ho eto ambanin’ny lanitra ny anarany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra