Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 35:11 - Baiboly Katolika

11 Nony avy izay nanafihan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna an’izao tany izao, dia hoy izahay: ‹Andeha isika hialoka any Jerosalema, eo anatrehan’ny tafiky ny Kaldeanina sy ny tafik’i Siria›, ka dia nitoetra teto Jerosalema izahay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Fa rehefa nananika ny tany i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan’ny Kaldeana sy ny miaramilan’ny Siriana, dia izany no itoeranay eto Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Fa nony niakatra teto amin’ny tany i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, dia nanapa-kevitra hiditra ato Jerosalema izahay mba handositra ny tafika babilônianina sy sirianina. Koa izany no ipetrahanay eto Jerosalema izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Fa nony niakatra teto amin’ny tany i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, dia nanapa-kevitra hiditra ato Jerosalema izahay mba handositra ny tafika babilônianina sy sirianina. Koa izany no ipetrahanay eto Jerosalema izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Fa raha nananika ny tany Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan’ny Kaldeana sy ny miaramilan’ny Syriana, ka dia izany no itoerany eto Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Fa raha nananika ny tany Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana, ka dia izany no itoerany eto Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 35:11
8 Rohy Ifampitohizana  

dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.


Dia tonga tamin’i Jeremia ny teny avy amin’i Iaveh, nanao hoe:


Nahoana isika no mitomoe-poana? Mivoria ianareo, andeha isika ho ao an-tanàna mimanda, dia aoka ho faty ao; satria i Iaveh Andriamanitsika mandevona antsika, sy mampisotro antsika rano misy poizina, noho ny nanotantsika tamin’i Iaveh!...


«Ary raha hitanareo eo amin’izay tsy tokony hisy azy ny fahavetavetan’ny fandravana (aoka hahafantatra izay mamaky ity), dia aoka izay any Jodea handositra any an-tendrombohitra;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra