Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jaona 21:3 - Baiboly Katolika

3 Fa hoy i Simôna Piera tamin’izy ireo: «Handeha hanarato aho.» Fa hoy ireo taminy: «Handeha hiaraka aminao koa izahay.» Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Hoy i Simona Petera: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, nefa tamin’iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Fa hoy i Simôna Petera tamin’izy enin-dahy: –Ndeha hanarato aho! Ka hoy ireo taminy: –Ndeha hiaraka aminao koa izahay. Dia niainga izy rehetra ka niditra tao an-tsambokely, saingy tamin’iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Fa hoy i Simôna Petera tamin’izy enin-dahy: –Ndeha hanarato aho! Ka hoy ireo taminy: –Ndeha hiaraka aminao koa izahay. Dia niainga izy rehetra ka niditra tao an-tsambokely, saingy tamin’iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Hoy Simona Petera taminy: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, ary tamin’iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Hoy Simona Petera taminy: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, ary tamin'iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jaona 21:3
11 Rohy Ifampitohizana  

fa hoy ny navalin’i Simôna Azy: «Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona; nefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato.»


Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy.


Iray raharaha taminy izy, fa ny manao lay no raharahany, ka dia nitoetra niasa tao izy.


Fantatrareo fa ireto tanana ireto no nahazoako izay rehetra nilaiko sy nilain’izay rehetra niaraka tamiko.


Samy tsinontsinona na izay mamboly na izay manondraka; fa Andriamanitra Izay mampaniry ihany no Izy.


Sa, izaho irery sy i Barnabe ihany no tsy afa-mitsahatra amin’ny asa.


He, tsaroanareo, ry kristianina havana, ny fikelezana aina amam-pisasaranay, fa sady niasa andro aman’alina izahay no nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tany aminareo, mba tsy hahavaky tratra olona na dia iray taminareo aza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra