Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jakoba 4:13 - Baiboly Katolika

13 Ary ianao kosa mba iza, no mitsara ny namana? Ary inty ny aminareo izay manao hoe: «Hankany ananona izahay, anio na rahampitso, dia hitoetra any herintaona, ka hivarotra sy hahazo tombom-barotra»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 E! Ianareo izay miteny hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra dia hahazo tombom-barotra;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Mihainoa ahy izao ianareo manao hoe: «Anio na rahampitso dia hankany Ananona izahay, handany iray taona any ka hivarotra sy hahazo vola.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Mihainoa ahy izao ianareo manao hoe: «Anio na rahampitso dia hankany Ananona izahay, handany iray taona any ka hivarotra sy hahazo vola.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 He! hianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra,

Jereo ny toko dika mitovy




Jakoba 4:13
11 Rohy Ifampitohizana  

Andeha isika hidina ao ihany ka hanorokoro ny fiteniny mba tsy hifankahazo fiteny intsony izy.»


Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso; fa tsy fantatrao izay havoakan’ny andro manaraka.


Hoy aho tamin’ny foko: Andeha àry hozahako toetra amin’ny hafaliana ianao, ka andramo ny fahafinaretana. Kanjo indro, zava-poana ihany koa izany.


Ary ho sahala ihany no hanjò ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompo sy ny mpanompo, ny tompo vavy sy ny mpanompo vavy, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpisambotra sy ny mpampisambotra.


Koa ankehitriny haposako aminareo, izay hataoko amin’ny tanimboaloboko: hongotako ny fefiny, dia horaotina izy; hadorako ny tambohony, dia ho voahosihosy izy.


Tonga ny fotoana, antomotra ny andro! Ny mpividy, aoka tsy hifaly; ary ny mpivarotra, aoka tsy halahelo, fa efa hipoahan’ny fahatezerana avokoa ny ankamaroany.


ny mitomany ho toy ny tsy mitomany; ny mifaly ho toy ny tsy mifaly; ny mividy ho toy ny tsy manana;


Anareo mpanan-karena kosa indray izao: Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra