Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jakoba 2:21 - Baiboly Katolika

21 Moa tsy ny asa va no nanamarinana an’i Abrahama razantsika, tamin’izy nanolotra an’i Isaaka zanany teo ambonin’ny ôtely?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Tsy nohamarinina tamin’ny asa va i Abrahama razantsika tamin’ny nanolorany an’Isaka zanany teo ambonin’ny alitara?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

21 Ahoana moa no nahazoan’i Abrahama razantsika ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra? Noho ny asa nataon’i Abrahama, fony izy nanolotra an’i Itsehàka zanany lahy teo ambonin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Ahoana moa no nahazoan’i Abrahama razantsika ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra? Noho ny asa nataon’i Abrahama, fony izy nanolotra an’i Itsehàka zanany lahy teo ambonin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Tsy nohamarinina tamin’ny asa va Abrahama razantsika tamin’ny nanaterany an’Isaka zanany teo ambonin’ny alitara?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo ambonin'ny alitara?

Jereo ny toko dika mitovy




Jakoba 2:21
21 Rohy Ifampitohizana  

Aza mifandahatra amin’ny mpanomponao amin’ny fitsarana, fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.


Diniho i Abrahama rainareo; sy i Sarà, izay niteraka anareo; fa fony izy mbola tokana no nantsoiko izy. dia notahiko sy nohamaroiko.


fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.»


ary aza manao anakampo hoe: ‹Manana an’i Abrahama ho rainay izahay›; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangona zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.


dia ilay fianianana nataony tamin’i Abrahama razantsika hanome antsika


ka niantso izy nanao hoe: ‹Ry kiaky Abrahama ô! mamindra fo amiko, mba iraho kely re i Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay, fa mijaly loatra aho eto anatin’ity lelafo ity.›


Fa hoy izy: ‹Tsia re, ry ikaky Abrahama ô! Fa raha anankiray amin’ny maty no mankany aminy, dia hibebaka izy.›


Namaly ireo ka nanao taminy hoe: «I Abrahama no rainay.» Fa i hoy i Jesoa taminy: «Raha zanak’i Abrahama ianareo, dia hanao ny asan’i Abrahama.


Angaha Ianao lehibe noho i Abrahama rainay izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty; manao Anao ho iza re Ianao e?»


Ka hoy ny navalin’i Etienina azy: «Mihainoa ianareo rahalahy sy ray. Raha mbola tany Mesôpôtamia i Abrahama razantsika, fa tsy mbola nitoetra tany Haràna, dia niseho taminy Andriamanitra be voninahitra,


satria tsy misy olona hohamarinina amin’ny asan’ny Lalàna eo anatrehany, fa ny ahalalana tsara ny ota ihany no nataon’ny Lalàna.


Inona àry, ny amin’i Abrahama razantsika, no holazaintsika, fa azony araka ny nofo?


ary ho rain’ny voafora koa, tsy izay voafora fe voafora anefa, fa izay manara-dia ny finoana nananan’i Abrahama razantsika, fony izy mbola tsy voafora.


Koa ny finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, ka ho mafy ho an’ny taranaka rehetra ny fampanantenana, dia tsy ho an’izay amin’ny Lalàna ihany, fa ho an’izay amin’ny finoan’i Abrahama koa, satria raintsika rehetra izy,


Ny finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Isaaka ho sorona, raha nozahan-toetra izy. Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana,


Hamaly koa ny olona hanao hoe: Ianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana asa koa. Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa; ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako.


Hitanao amin’izany fa hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana fotsiny ihany.


Nalaiko tany an-dafin’ny ony i Abrahama razanareo ary nentiko ho amin’ny tany Kanaana rehetra; nampitomboiko taranaka, ary nomeko an’i Isaaka izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra