Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 52:2 - Baiboly Katolika

2 Ahintsano ny vovoka eny aminao; mitsangàna ianao; mipetraha ianao, ry Jerosalema; vahao ny fatorana amin’ny vozonao, ry voababo, zanaka vavin’i Siôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ahintsano hiala amin’ny tenanao ny vovoka, ka miarena ary mipetraha, ry Jerosalema ô! Vahao ny fatorana amin’ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Ahintsano ny vovoka nandrakotra anao, ka mitsangàna; dia aoka ho amin’ny sezafiandriananao indray no hipetrahanao, ry Jerosalema ô! Ny fatorana mangeja ny tendanao dia aoka hovahanao, ry Tsiôna babo!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Ahintsano ny vovoka nandrakotra anao, ka mitsangàna; dia aoka ho amin’ny sezafiandriananao indray no hipetrahanao, ry Jerosalema ô! Ny fatorana mangeja ny tendanao dia aoka hovahanao, ry Tsiôna babo!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ahintsano ny vovoka hiala amin’ny tenanao, ka mitsangàna, Ary mipetraha, ry Jerosalema ô; Vahao ny fatorana amin’ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ahintsano ny vovoka hiala amin'ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin'ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 52:2
19 Rohy Ifampitohizana  

Ka izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny entan’i Asora hoesorina eo an-tsorokao; ary ny jiogany eo amin’ny vozonao, ka ny tanjakao no hahavaky ny jioga.


Hanorotoro an’i Asora amin’ny taniko aho, ary hanosihosy azy eo an-tendrombohitro. Dia hoesorina amin’izy ireo ny jiogany, ary halana eo an-tsorok’izy ireo ny entany.


Haetry ianao ka avy amin’ny tany no hisandratan’ny feonao, ho re avy amin’ny vovoka ny feonao mimonomonona, hivoaka avy amin’ny tany toy ny an’ny matoatoa, ny feonao; ary hiakatra avy amin’ny vovoka, toa bitsibitsika malemy, ny teninao.


Hitomany sy hisaona ny vavahadin’i Siôna, ary efa ory izy, dia hipetraka amin’ny vovoka.»


Ary ianao kosa hanao anakampo hoe: «Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa tsy nanan-janaka aho, momba aho, noroahina sy nisaorana aho; ary ireto kosa, iza no nitaiza azy? Indro Aho nitoetra irery; ka taiza ireto?»


Vetivety foana, dia ho voavaha izay mitanondrika; tsy ho faty ao an-davaka izy; ary tsy ho diso hanina.


Hataoko eo an-tanan’ny mpanenjika anao izany, dia amin-dry zareo nanao taminao hoe: «Miondreha handehananay!» Dia ny lamosinao no nataony toy ny tany, sy toy ny lalam-be ho an’ny mpandeha!


Mitsangàna, ka mamirapiràta! fa miposaka ny fahazavanao; ary miposaka eo aminao, ny fahazavan’i Iaveh.


Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;


Ny kapan’ny mpiady rehetra tamin’ny fikatrohana mbamin’ny kapaoty nihosin-dra rehetra, dia atao anatin’ny afo: ka levon’ny afo.


Mivoaha hiala ao aminy, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo, eo anatrehan’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh.


Ianareo nieren’ny sabatra, miaingà, fa aza mijanona! Mahatsiarova an’i Iaveh any an-tany lavitra, ary aoka ho velona ao am-ponareo ny fiheverana an’i Jerosalema!


Mandosira lavitra an’i Babilôna ianareo, ary samia mamonjy ny ainy! Aoka tsy ho faty noho ny fahotany ianareo fa andro famalian’i Iaveh izao; ka hamaly azy araka izay mendrika azy izy.


Ny hazo any an-tsaha, hamoa; ny tany koa hahavokatra, ary izy ireo, handry feizay amin’ny taniny, dia ho fantany fa Iaveh Aho rehefa voatapako ny baran’ny jiogany ary afako tamin’ny tanan’ireo nampanompo azy izy.


Dia hoy aho: «Ho aiza ianao?» Ary hoy izy tamiko: «Handrefy an’i Jerosalema hahitana izay hatao sakany sy izay hatao lavany.»


Tamin’izay niseho ilay Anjely niresaka tamiko, sady nisy Anjely anankiray hafa niseho hitsena azy;


haringana amin’ny lela sabatra izy, sy ho lasan-ko babo any amin’ny firenena rehetra, ary hohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema mandra-pahafenon’ny andron’ny Jentily.»


«Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,


Dia nandre feo iray hafa koa avy any an-danitra aho, nanao hoe: Mihataha aminy ianareo, ry vahoakako, mba tsy hiray heloka aminy, sy tsy hiombon-doza aminy,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra