Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 51:23 - Baiboly Katolika

23 Hataoko eo an-tanan’ny mpanenjika anao izany, dia amin-dry zareo nanao taminao hoe: «Miondreha handehananay!» Dia ny lamosinao no nataony toy ny tany, sy toy ny lalam-be ho an’ny mpandeha!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Hataoko eo an-tanan’izay mampahory anao kosa izany, dia ireo izay nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay! Dia nataonao tahaka ny tany ny lamosinao; eny, tahaka ny lalambe ho an’izay mandeha eo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

23 Io tsatokaty io dia hatolotro eo an-tanan’ny nampahory anao, dia ireo olona nilaza taminao hoe: ‹Miankohofa amin’ny tany mba hohitsahinay›; ka voatery ianao nanolotra ny lamosinao ho tahaka ny tany eny an-dalambe natao hohitsahin’ireo mpandalo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Io tsatokaty io dia hatolotro eo an-tanan’ny nampahory anao, dia ireo olona nilaza taminao hoe: ‹Miankohofa amin’ny tany mba hohitsahinay›; ka voatery ianao nanolotra ny lamosinao ho tahaka ny tany eny an-dalambe natao hohitsahin’ireo mpandalo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Fa hataoko eo an-tànan’izay mampahory anao kosa,– Dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, Ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao Sy ho tahaka ny làlambe ho an’izay mandeha eo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Fa hataoko eo an-tànan'izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an'izay mandeha eo.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 51:23
15 Rohy Ifampitohizana  

Nolahasainy ny lamosiko, nosoritany vava asa lava ao.


Nampandeha olona hanosy ny lohanay namaky ny afo sy ny rano izahay; kanjo nesorinao tamin’izany izahay, dia nototofanao soa.


Ny marina vonjena ho afa-pahoriana; fa ny ratsy fanahy no hilatsaka hisolo azy ao.


Ny ratsy fanahy hisolo voina ny marina; ary ny mpivadika hisolo voina ny olo-mahitsy fo.


Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitro masina, no hisotroan’ny firenena rehetra tsy an-kijanona koa; hisotro izy, hitelina izy, ary ho toy ny tsy nisy akory izy.


Hahita izany anie ikala fahavaloko, ka ho safo-kenatra anie izy, dia izy ilay nanao tamiko hoe: Aiza izay Iaveh Andriamanitrao? Hibanjina azy ny masoko: amin’izao dia hohitsakitsahina izy, toy ny fotaka eny amin’ny arabe.


Indro hataoko tokonana fanozongozona i Jerosalema ho an’ny firenena manodidina rehetra; ary ho an’i Jodà koa izany, amin’ny hanaovana fahirano an’i Jerosalema.


Nony efa navoakany ho eo anatrehan’i Jôsoe, ireo mpanjaka ireo, dia nantsoin’i Jôsoe ny lehilahy rehetra amin’i Israely ka hoy izy tamin’ireo filohan’ny lehilahy mpiantafika, izay niaraka taminy: «Manatòna ianareo, ka ataovy eo amin’ny vozon’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo.» Dia nanatona ireo ka nanitsaka ny vozon’ireo mpanjaka tamin’ny tongony.


Avelao anefa fa aza refesina ny efitrano fidirana ivelan’ny tempoly, satria efa nomena ny Jentily io, ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efapolo volana izy, sy ny ôtely, mbamin’izay mivavaka ao.


Ary Ravehivavy hitanao no ilay tanàna lehibe, izay mifehy ny mpanjakan’ny tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra