Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 22:20 - Baiboly Katolika

20 Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: Hiantso ny mpanompoko aho, dia i Eliasima zanak’i Helkiasa,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Amin’izany andro izany dia hantsoiko kosa i Eliakima mpanompoko, zanak’i Hilkia;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

20 Amin’izany andro izany, dia hantsoiko i Eliakima, zanakalahin’i Hilkià mpanompoko,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Amin’izany andro izany, dia hantsoiko i Eliakima, zanakalahin’i Hilkià mpanompoko,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary amin’izany andro izany Dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak’i Hilkia;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary amin'izany andro izany dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak'i Hilkia;

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 22:20
6 Rohy Ifampitohizana  

ka niantso ny mpanjaka. Ary i Eliasima zanak’i Elkiasa lehiben’ny tao an-dapa no nivoaka nankeo amin’izy ireo, mbamin’ny Sobnà mpanoratra, i Jôahe zanak’i Asafa mpitahiry boky.


Dia nankao amin’i Ezekiasa i Eliasima zanak’i Helkiasa lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sobnà mpanoratra, ary i Jôahe zanak’i Asafa mpitahiry boky; voatriatra ny fitafian’izy ireo, ary nolazainy taminy ny tenin’ny mpandroso divay ambony indrindra.


Dia hoy i Eliasima sy i Sobnà ary i Jôahe, tamin’ny lehiben’ny mpandroso divay: «Mba teny arameanina no ataovy amin’ny mpanomponao, satria hainay izany; fa aza dia manao teny jodaika, ho ren’ny vahoaka eny ambony manda.» Fa izao no navalin’ny lehiben’ny mpandroso divay:


Dia nankany amin’i Ezekiasa i Eliasima zanak’i Elkiasa lehiben’ny ao an-dapa, sy i Sobnà mpanoratra, ary i Jôahe zanak’i Asafa mpitahiry ny bokim-panjakana, ka nambarany taminy ny tenin’ny lehiben’ny mpandroso divay, ary samy voatriatra ny fitafiany.


Dia nanatona azy i Eliasima, zanak’i Helkiasa lehiben’ny tao an-dapa, nomban’i Sobnà mpanoratra, ary i Jôahe zanak’i Asafa, mpitahiry ny bokim-panjakana.


Ary nirahiny i Eliasima, lehiben’ny ao an-dapa, sy i Sobnà mpanoratra, ary ny lohandohan’ny mpisorona, samy voatafy lasàka, ho any amin’i Izaia zanak’i Amôsa, mpaminany,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra