Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 31:32 - Baiboly Katolika

32 Fa izay hahatratraranao ny andriamanitrao kosa, dia aoka tsy ho velona! Ka zahao, eto anatrehan’ny rahalahintsika, izay anao ato amiko, dia alao.» Tsy nahalala i Jakôba fa hoe i Rasela no nangalatra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Izay hahitanao ireo andriamanitrao indray dia aoka tsy ho velona. Eto anatrehan’ny havantsika, savao izay ato amiko ka ento ny anao. Tsy fantatr’i Jakoba anefa fa Rahely no nangalatra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

32 Fa raha misy ahatraranao ireo sampinao kosa ny oloko, dia aza velomina. Eto anatrehan’ireo havantsika, dia savao avokoa izay eto amiko, dia ento ny anao. Fa i Jakôba dia tsy nahalala velively hoe i Rahely no nangalatra ny sampy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Fa raha misy ahatraranao ireo sampinao kosa ny oloko, dia aza velomina. Eto anatrehan’ireo havantsika, dia savao avokoa izay eto amiko, dia ento ny anao. Fa i Jakôba dia tsy nahalala velively hoe i Rahely no nangalatra ny sampy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan’ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr’i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan'ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 31:32
13 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Abrama tamin’i Lôta: «Aoka re tsy hifanditra izaho sy ianao, na ny mpiandry ondriko sy ny mpiandry ondrinao, fa mpirahalahy isika.


Dia hoy izy: «Aoka re, ry rahalahy, mifona aminareo aho, aza dia manao ratsy lahy!


Ny fahamarinako no ho vavolombeloko rahampitso, rahefa tonga handinika ny karamako ianao. Izay rehetra tsy mara sy tsy sada eo amin’ny osy, ary tsy mainty eo amin’ny ondry dia ho halatra eo am-pelatanako.»


Nandeha nanety ny ondry kosa i Labàna, ka nangalarin-dRasela ny Terafiman-drainy.


Ka nitondra ny rahalahiny homba azy izy, dia nanenjika azy lalan-kafitoana, ary nahatratra azy tao an-tendrombohitra Galaada.


Ary ankehitriny, manina loatra ny tranon-drainao ianao ka nandeha, nefa ahoana no dia nangalaranao ny andriamanitro?»


Dia namaly i Jakôba, ka nanao tamin’i Labàna hoe: «Izaho dia natahotra, fa nihevitra hoe: ‹Angamba hesoriny amiko ny zanany vavy.›


Dia nidiran’i Labàna ny lain’i Jakôba sy ny lain’i Lià, ary ny an’ny ankiziny roa vavy, nefa tsy nahitany na inona na inona. Nivoaka avy ao an-dain’i Lià izy, dia niditra tao an-dain-dRasela.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra