Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 25:33 - Baiboly Katolika

33 Fa hoy i Jakôba: «Mianiàna àry amiko aloha.» Dia nianiana izy, ka nivarotra ny fizokiany tamin’i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Hoy i Jakoba: Mianiàna amiko ary aloha. Dia nianiana taminy izy ka namidiny tamin’i Jakoba ny fizokiany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

33 Fa namaly indray i Jakôba hoe: –Mianiàna amiko àry ianao izao anio izao. Dia nianiana taminy izy ka nivarotra tamin’i Jakôba ny fizokiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Fa namaly indray i Jakôba hoe: –Mianiàna amiko àry ianao izao anio izao. Dia nianiana taminy izy ka nivarotra tamin’i Jakôba ny fizokiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Ary hoy Jakoba: Mianiàna ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin’i Jakoba ny fizokiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin'i Jakoba ny fizokiany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 25:33
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sôdôma: «Izaho efa nanangan-tanana tamin’i Iaveh Andriamanitra avo indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,


hampianiana anao amin’ny anaran’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany, fa tsy haka vady ho an’ny zanako ao amin’ny zanaka vavin’ny Kananeanina, izay iraisako monina, ianao,


Dia hoy i Esao: «Izaho aza efa ho faty, ka ho inoko akory izay fizokiana?»


Izay vao nomen’i Jakôba mofo sy sosoam-boanemba i Esao; ka nony efa nihinana sy nisotro izy, dia nitsangana ka lasa nandeha. Toy izany no nanamavoan’i Esao ny fizokiany.


Efa antitra i Isaaka ka efa nanjavona ny masony ka tsy nahita intsony. Dia niantso an’i Esao zanany lahy matoa izy, ka nanao taminy hoe: «Anaka.» - Ary hoy io taminy: «Inty aho.»


Fa hoy i Isaaka, rainy, taminy: «Iza moa ianao?» Ary hoy izy: «Izaho no Esao zanakao lahy matoa.»


Ka hoy i Esao: «Noho ny nanaovana azy hoe Jakôba va no nanongonany ahy indroa izao? Efa naka ny fizokiako izy, ary inty indray ankehitriny, naka ny tso-dranoko koa.» Dia hoy koa izy: «Tsy mba misy tso-drano natokanao ho ahy va?»


sady nampiany tamim-pianianana hoe: «Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza.»


Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava.


Fa ny lehibebe kokoa noho ny tenany no ianianan’ny olona, ary ny fianianana no ataony antoka ka entiny manapaka ny fifandirana rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra