22 Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin’ny mpanjaka hiaro anay amin’ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin’ny mpanjaka izahay hoe: Mahasoa izay rehetra mitady Azy ny tanan’Andriamanitray; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa dia mamely izay rehetra mahafoy Azy.
22 Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin’ny mpanjaka hiaro anay amin’ny fahavalonay eny an-dàlana, satria efa niteny tamin’ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Ny tànan’Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.
22 Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin'ny mpanjaka hiaro anay amin'ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin'ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy tànan'Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.
Ary ianao, ry Salômôna, zanako, mahalalà ny Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo mazava sy amin’ny fanahy mazoto, fa i Iaveh dia mandinika ny fo rehetra sy maninteraka ny hevitry ny saina rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hety ho hitanao Izy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
ka nandeha nitsena an’i Asà izy, sy nilaza taminy hoe: «Mihainoa ahy, ry Asà, mbaminareo Jodà sy Benjamina rehetra. Momba anareo i Iaveh raha momba azy ianareo; raha mitady Azy ianareo, dia hety ho hitanareo Izy, fa raha mahafoy Azy kosa ianareo, dia mba hahafoy anareo koa Izy.
Fa mitetitety ny tany rehetra ny mason’i Iaveh mba hanohanany an’izay miraiki-po aminy tokoa. Ka nanao toy ny adala ianao tamin’io raharaha io, fa amin’ny sisa dia hanana ady ianao.»
sy nampahita fitia ahy teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny manam-pahefana ambony rehetra ao amin’ny mpanjaka. Koa nahazo hery aho fa nomba ahy ny tanan’i Iaveh Andriamanitro, ka nanangona ny loholona amin’i Israely hiara-miainga amiko.»
Niala teo amin’ny ony Ahavà, tamin’ny andro faha-12n’ny volana voalohany izahay, ho any Jerosalema. Nomba anay ny tanan’ny Andriamanitray, ka namonjy anay tamin’ny tanan’ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.
Dia lasa ho any amin’ireo governora any an-dafin’ny ony aho ka natolotro azy, ireo taratasin’ny mpanjaka, ary nisy manamboninahitra ama-mpitaingin-tsoavaly koa, nalefan’ny mpanjaka hiaraka amiko.
Izaho anefa dia sady tsy nampiasa izany fahefana izany no tsy nanoratra ity ho toy ny hitaky izany hatao amiko. Aleoko maty, toy izay ny voninahitro amin’izany no hofoanan’olona.
Ary na mba nirehareha ny aminareo eo anatrehan’i Tito koa aza aho, dia tsy nahamenatra ahy izany, satria noho izahay samy nilaza ny marina taminareo mandrakariva, dia marina ny reharehako ny aminareo tamin’i Tito.
Raha mandika ny faneken’i Iaveh Andriamanitrareo izay nandidiany anareo ianareo ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anoloan’ireny dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Iaveh, ka vetivety dia ho lany ringana tsy ho eo amin’ny tany soa nomeny anareo ianareo.