Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Ezra 8:18 - Baiboly Katolika

18 Ary satria nomba anay ny tanana manambin’ny Andriamanitray, dia nentin’izy ireo nankatỳ aminay, ity lehilahy manan-tsaina anankiray avy amin’ny taranak’i Moholỳ zanak’i Levỳ zanak’i Israely, dia i Sarabiasa mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny 18 lahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary araka ny soa nataon’ny tanan’Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry iray ho any aminay avy tamin’ny taranak’i Maly, zanak’i Levy, zanak’Israely, ary i Serebia sy ny zanany mbamin’ny rahalahiny, valo amby folo lahy,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Noho ny fiarovan’Andriamanitray, dia ireto avy ny olona azon’izy 11 lahy nentina ho atỳ aminay: i Serebià, olon-kendry anisan’ny tarik’i Mahely sady taranak’i Levỳ zanakalahin’i Jakôba, mbamin’ireo zanany sy mpiray tampo aminy, izany hoe lehilahy 18;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Noho ny fiarovan’Andriamanitray, dia ireto avy ny olona azon’izy 11 lahy nentina ho atỳ aminay: i Serebià, olon-kendry anisan’ny tarik’i Mahely sady taranak’i Levỳ zanakalahin’i Jakôba, mbamin’ireo zanany sy mpiray tampo aminy, izany hoe lehilahy 18;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary araka ny soa nataon’ny tànan’Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin’ny taranak’i Maly, zanak’i Levy, zanak’Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin’ny rahalahiny, valo ambin’ny folo lahy,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin'ny taranak'i Maly, zanak'i Levy, zanak'Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin'ny rahalahiny, valo ambin'ny folo lahy,

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 8:18
22 Rohy Ifampitohizana  

Zanaka lahin’i Levì: i Gersôma, i Kaata, ary i Merarì


zanak’i Elkanà zanak’i Jehôrama zanak’i Eliela zanak’i Taohò


Zanaka lahin’i Merarì: i Moholì sy i Mosì. Izao no fianakavian’i Levì isan-drainy avy:


Niteny tamin’ny Levita rehetra, teny manetsika ny fo, i Ezekiasa, fa naneho fahaizana fatratra tamin’ny fanompoana an’i Iaveh izy ireo. Nandritra ny hafitoana izy ireo nihinana ny zavatra natao sorona tamin’ny fety, nanolotra ny sorom-pihavanana, ary nidera an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.


sy nampahita fitia ahy teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny manam-pahefana ambony rehetra ao amin’ny mpanjaka. Koa nahazo hery aho fa nomba ahy ny tanan’i Iaveh Andriamanitro, ka nanangona ny loholona amin’i Israely hiara-miainga amiko.»


niakatra avy any Babilôna io Esdrasa io. Ary satria nomba azy ny tanan’i Iaveh Andriamaniny, dia nomen’ny mpanjaka azy avokoa izay rehetra nangatahiny.


Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany izy no niainga hiakatra niala tany Babilôna ary tamin’ny andro voalohan’ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema, nomban’ny tanan’ny Andriamaniny manisy soa.


Dia nasaiko nantsoina ny loholona, i Eleazara, i Ariela, i Semeiàsa, i Elnatàna, i Jariba; i Elnatàna anankiray, i Natàna, i Zakaria ary i Mosolama, mbamin’ireo mpampianatra: i Joiariba sy i Elnatàna.


i Hasabiasa ary i Izaia koa miaraka aminy, avy amin’ny taranak’i Merarỳ, mbamin’ireo rahalahiny sy ny zanany 20 lahy;


Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila manatitra ama-mpitaingin-tsoavaly, tamin’ny mpanjaka, hiaro anay amin’ny fahavalo eny an-dalana, noho izahay efa niteny tamin’ny mpanjaka nanao hoe: «Momba an’izay rehetra mitady azy ny tanan’Andriamanitra, hahasoa azy ireo, fa mahatratra an’izay rehetra mahafoy Azy kosa ny heriny sy ny fahatezerany.»


Dia nifidy lohan’ny mpisorona 12 lahy aho; dia i Sarabiasa sy i Hasabiasa, mbamin’ny folo lahy tamin’ireo rahalahiny;


Hanàna, Mikà, Rohoba, Hasebiasa,


Lohan’ny Levita: i Hasebiasa, i Serebiasa, ary i Jôsoe, zanak’i Kedmiela, niandraikitra niaraka tamin’ireo rahalahiny nifanandrify aminy, ny fankalazana sy ny fiderana an’Andriamanitra; araka ny nandaharan’i Davida olon’Andriamanitra an’izany: nanao antokony roa mifamaly.


ary taratasy anankiray koa ho an’i Asafa mpitandrina ny alan’ny mpanjaka, mba hanomezany hazo ahy, hanaovako sakamandimby hatao amin’ny varavaran’ny trano mimanda manolotra ny tempoly sy hatao amin’ny mandan’ny tanàna, mbamin’ny trano hihatahako.» Dia nomen’ny mpanjaka ahy izany, fa momba ahy ny tanana manambin’ny Andriamanitro.


Ary nampianatra ny vahoaka ny lalàna, i Josoe, i Banì, i Sarabiasa, i Jamina, i Akoba, i Septaì, i Odiasa, i Maasiasa, i Kelità, i Azariasa, i Jozabeda, i Hanàna, i Falaisa, mbamin’ny Levita; ka samy nijanona teo amin’ny fitoerany ny olona.


Ny fahendrena no itsanganan’ny trano, ary ny fahalalana no iorenany mafy.


Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.


Dia homeko mpiandry araka ny foko ianareo, izay hamahana anareo amim-pahalalana sy fahendrena.


Ny zanak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany, dia i Moholỳ sy i Môizy. Ireo no fokon’i Levỳ araka ny fokom-pianakaviany avy.


Ry kristianina havana, aoka tsy ho zaza amin’ny faharatsiana; mitsangàna ho lehilahy amin’ny fisainana e.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra