Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Ezra 7:19 - Baiboly Katolika

19 Apetraho eo anatrehan’ny Andriamanitr’i Jerosalema ny fanaka natolotra anao, hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ny Andriamanitrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan’Andriamanitra any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 Ny fanaka nomena anao ho an’ny fanompoam-pivavahana ao an-tranon’Andriamanitrao dia apetraho eo anatrehan’Andriamanitra any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Ny fanaka nomena anao ho an’ny fanompoam-pivavahana ao an-tranon’Andriamanitrao dia apetraho eo anatrehan’Andriamanitra any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan’Andriamanitra any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan'Andriamanitra any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 7:19
7 Rohy Ifampitohizana  

Mova tsy ny filaza ny andriamanitry ny firenena amin’ny tany, asan-tanan’olombelona ihany, no filàzany ny Andriamanitr’i Jerosalema!


Ary ny volafotsy amana volamena sisa dia ataovy amin’izay heverinao sy ireo rahalahinao ho mety, manaraka ny sitrapon’ny Andriamanitrareo.


Izay fanampiny mbola ilaina koa, ao amin’ny tranon’ny Andriamanitrao, dia hovonoinao avy amin’ny trano firaketan’ny mpanjaka.


Hoentina any Babilôna koa ireo, sady hitoetra any, mandra-piavin’ny andro hamangiako azy, - teny marin’i Iaveh, - ka dia hampiakatra azy sy hampody azy amin’ity fitoerana ity indray Aho.


Amin’izany andro izany i Jerosalema hantsoina hoe: «ny seza fiandrianan’i Iaveh!» Ary ny firenena rehetra hivory ao Jerosalema, amin’ny Anaran’i Iaveh, fa tsy hanaraka ny ditran’ny fony ratsy intsony izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra