Ezra 6:21 - Baiboly Katolika21 Nihinana ny Paka ny zanak’i Israely rehetra niala tamin’ny fahalotoan’ny firenena tompon-tany, sy nanatona azy hiara-mitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201121 Dia nihinana izany ny Zanak’Israely izay nody avy tamin’ny fahababoana mbamin’izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin’ny fahalotoan’ny firenena tompon-tany mba hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA21 Nihinana ny sakafo Paska avokoa ny Israelita rehetra nody avy any an-tsesitany; niaraka taminy koa ny namany efa nandao ny fiainan-dratsin’ireo valovotaka sy nanompo an’Ilay TOMPO Andriamanitr’i Israely. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara21 Nihinana ny sakafo Paska avokoa ny Israelita rehetra nody avy any an-tsesitany; niaraka taminy koa ny namany efa nandao ny fiainan-dratsin’ireo valovotaka sy nanompo an’Ilay TOMPO Andriamanitr’i Israely. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy21 Dia nihinana izany ny Zanak’Isiraely izay efa nody avy tamin’ny fahababoana mbamin’izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin’ny fahalotoan’ny firenena tompon-tany hitady an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Jereo ny tokoMalagasy Bible21 Dia nihinana izany ny Zanak'Isiraely izay efa nody avy tamin'ny fahababoana mbamin'izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin'ny fahalotoan'ny firenena tompon-tany hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Jereo ny toko |
Nony vita izany rehetra izany, nanatona ahy ny lehibe, ka nanao hoe: «Tsy tafasaraka tamin’ny vahoakan’ireto tany ireto ny vahoaka Israely mbamin’ny mpisorona sy ny Levita fa manaraka ny fahavetavetany, ny an’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Ferzeanina, ny Jebôseanina, ny Amônita, ny Moabita, ny Ejiptianina, ary ny Amôreana;