Ary dieny mbola nipetraka tao an-tranony i Elisea, ary nipetraka teo aminy koa ny loholona, dia naniraka olona avy ao aminy ny mpanjaka. Tsy mbola tonga tao amin’i Elisea akory anefa ilay iraka, dia hoy i Elisea tamin’ny loholona: «Fantatrareo va fa naniraka olona hanala amiko ny lohako ilay zanaky ny mpamono olona iny? Tandremo fa rehefa tonga ny iraka, dia akatòny ny varavarana, tereo amin’ny varavarana izy Injay re manaraka any aoriany koa ny fingadongadon’ny tongotry ny tompony.»
Noho izany, mitenena aminy ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Na zovy na zovy, amin’ny taranak’i Israely manangana ny sampin-doza ao am-pony, sy manao eo anoloan’ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha sendra manatona ny mpaminany izy io, dia Tenako Izaho Iaveh no hamaly azy, araka ny tandrifin’ny sampiny maro,
Dia nofaohin’ny Fanahy aho, ka injay nisy feo nikotrokotroka mafy reko tao ivohoko, nanao hoe: «Hankalazaina anie ny voninahitr’i Iaveh ao amin’ny fitoerana fonenany».
«Afaka ny tanàna!» Ary ny hariva kosa talohan’ny nahatongavan’ilay nandositra, dia efa nanindry ahy ny tanan’i Iaveh, ka efa nosokafany ny vavako, talohan’ny nahatongavan’ilay io tao amiko ny maraina; ka dia voasokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.
Ary dia mankao aminao izy ireo toy ny fiavin’ny vahoaka be; mipetraka eo anatrehanao ny vahoakanao; mihaino ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany, fa izay ankasitrahin’ny vavany no ataony, ny filan-karena no arahin’ny fony.
Ny mpanjaka, ho rafitra misaona; ny mpifehy, hitafy falahelovana; ary ny tanànan’ny vahoakan’ny tany hangovitra; fa hasiako araka ny asany izy; ary hotsaraiko araka ny tandrify azy, dia ho fantany fa Iaveh Aho.
Ary nahita aho, ka indro, nisy endrika nitarehin’afo; ka ny hatramin’izay niseho ho valahany no ho midina, dia afo; ary ny hatramin’ny valahany no ho miakatra, dia mitarehin-java-mazava hoatra ny metaly, no fijery azy.