Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 36:29 - Baiboly Katolika

29 natao roa sosona hatraty ambany ka mikambana ho iray hatrany an-tampony, mipaka amin’ny masom-bola voalohany; nataony toy izany avokoa ny hazo fisaka roa amin’ny zorony roa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Nakambana ho iray hatrany ambany ka hatrany ambony ireo, dia hiray tsara hatrany an-tampony eo amin’ny mason-drojo tokana; nataony toy izany koa ny roa ho eo amin’ny zorony roa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

29 Ireo hazo fisaka roa ireo dia nisy elanelany ara-dalàna teo amin’ny fotony, fa nifanatona tsikelikely kosa ka nikambana teo amin’ny haba iray ihany tany an-dohany. Nataony nitovy izy roa ho hazo fisaka amin’ny zorony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Ireo hazo fisaka roa ireo dia nisy elanelany ara-dalàna teo amin’ny fotony, fa nifanatona tsikelikely kosa ka nikambana teo amin’ny haba iray ihany tany an-dohany. Nataony nitovy izy roa ho hazo fisaka amin’ny zorony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary nakambana ho iray izy hatramin’ny ambany ka hatramin’ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin’ny zorony roa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary nakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin'ny zorony roa.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 36:29
16 Rohy Ifampitohizana  

Ry Jerosalema, ianao voaorina toy ny tanàna, izay iraisan’ny zavatra rehetra.


Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida. Endrey, tsara sady mamy, ho an’ny mpirahalahy ny miara-monina!


dia hikambana tsiroaroa hatrany ambany ireo, ka hatao miray tsara hatrany ambony amin’ny masom-bola voalohany. Toy izany no hanaovana azy roa avy; hatao amin’ny zorony roa.


ary hazo fisaka roa no natao amin’ny zoron’ny Fonenana ao anatiny,


Ary nisy koa hazo fisaka valo samy nanana ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin’ny folo, faladia roa avy, ambanin’ny isan-kazo fisaka.


Nazoto niara-nankao amin’ny Tempoly isan’andro izy rehetra, sy namaky mofo tany an-tranony ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po,


Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra; tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra.


Mihanta aminareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika aho, ry kristianina havana, mba hiray teny daholo ianareo, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa ho tafakambana tsara amim-piraisan-tsaina sy hevitra avokoa ianareo.


Fa Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra, mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na Jentily, na mpanompo na tsy mpanompo; ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra.


Izy no nanafaka anay tamin’izao fahafatesana efa hamely izao, sy manafaka anay ankehitriny, ary mbola antenainay hanafaka any aoriana koa,


tao amin’ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin’ny Tenany;


Koa tsy olon-ko azy na vahiny intsony àry ianareo, fa mpiray fanjakana amin’ny olo-masina sy isam-pianakavian’Andriamanitra;


Fa ao aminy no isondrotan’ny rafitra rehetra mirindra tsara, mba hiforona ho tempoly masina ao amin’ny Tompo;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra