Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 35:26 - Baiboly Katolika

26 Ny vehivavy rehetra izay voatariky ny fo mazoto sady nanam-pahaizana dia namoly volon’osy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ary ny vehivavy rehetra nanan-talenta ka nazoto am-po dia namoly volon’osy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

26 Nisy koa vehivavy kinga hafa nazoto namoly volon’osy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Nisy koa vehivavy kinga hafa nazoto namoly volon’osy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary ny vehivavy rehetra izay nampahazotoin’ny fony tamin’ny fahendrena dia namoly ny volon’osy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary ny vehivavy rehetra izay nampahazotoin'ny fony tamin'ny fahendrena dia namoly ny volon'osy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 35:26
8 Rohy Ifampitohizana  

Noravany ny tranon’ireo olona nanolo-tena hijangajanga izay nitoetra tao an-tranon’i Iaveh, izay nanenoman’ny vehivavy lay ho an’i Astarte.


dia tonga izay rehetra voatariky ny fo mazoto sy izay rehetra manana saina vonona tsara nanolotra fanatitra ho an’i Iaveh hanaovana ny trano lay fihaonana, mbamin’ny fanaka rehetra ao aminy sy ny fanamiana masina.


Ny vehivavy nanam-pahaizana rehetra namoly tamin’ny tanany ka nitondra izay nataony, dia jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika.


Ny loholona kosa nitondra vato berila ary vato fandatsaka an-tranontranony hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra,


Ny zanak’i Israely rehetra na lahy na vavy izay voatariky ny fo mazoto mba hanana anjara amin’ny asa rehetra nandidian’i Iaveh tamin’ny vavan’i Môizy hatao, dia samy nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh.


Dia nampanalain’i Môizy i Beseleela sy i Oôliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay norotsahan’i Iaveh fahaizana ny fony, mbamin’izay rehetra notaomin’ny fony amin’izany asa izany mba hahavitany azy.


Ny olo-mahay rehetra tamin’izay niasa tamin’io raharaha io, no nanao ny Fonenana tamin’ny ambainy folo: rongony madinika mihasina, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, mbamin’ny kerobima no nanaovany azy; asan’ny mpanenona mahay.


Mandray ny fihazonam-bohavoha ny tanany; ary mihazona ny ampela ny rantsan-tanany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra