Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 29:32 - Baiboly Katolika

32 Dia hohanin’i Aarôna sy ny zanany eo anoloan’ny trano lay fihaonana ny henan’ny ondralahy, sy ny mofo ao anatin’ny sobika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Ary hohanin’i Arona sy ireo zanany eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny henan’ny ondrilahy sy ny mofo izay ao anatin’ny harona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

32 Hohanin’i Aharôna sy ny zanany, miaraka amin’ny mofo sisa ao amin’ny harona, eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Hohanin’i Aharôna sy ny zanany, miaraka amin’ny mofo sisa ao amin’ny harona, eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Ary hohanin’i Arona sy ny zanany eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana ny henan’ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin’ny harona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Ary hohanin'i Arona sy ny zanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny henan'ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin'ny harona.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:32
8 Rohy Ifampitohizana  

Ao amin’ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay voapetraka eo anatrehan’i Iaveh, dia angalao vonga-mofo iray sy mofo mamy miharo diloilo iray ary mofo mamy manify iray.


«Halainao ny ondralahy fanokanana, ka handrahoinao eo amin’izay toerana masina ny henany.


Toy izany koa no hihinanany izay nanaovana ny fanoneram-pahotana tamin’ny nanokanana azy sy nanamasinana azy; tsy hisy olon-kafa hihinana amin’izany, satria zava-masina izany.


Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy ny zanany: «Andrahoy eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana ny hena, fa eo no hihinananareo azy, miaraka amin’ny mofo ao anaty sobika fanokanana, araka ny nandidiako hoe: i Aarôna sy ny zanany no hihinana azy.


fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, ka nihinana ny mofo alahatra, kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra