Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 9:8 - Baiboly Katolika

8 tahaka ny volom-behivavy ny volony; ary mitovy amin’ny nifin-diona ny nifiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Nanana volo tahaka ny volom-behivavy izy ary ny nifiny dia tahaka ny an’ny liona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Manana volo tahaka ny volom-behivavy izy ireo, ary ny nifiny dia tahaka ny an’ny liona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Manana volo tahaka ny volom-behivavy izy ireo, ary ny nifiny dia tahaka ny an’ny liona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an’ny liona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an'ny liona.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 9:8
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia niditra tao Jezrahela i Jehò. Raha nandre izany i Jezabela dia notentenany ny masony, noravahany ny lohany, ka nitsidika teo am-baravarankely izy.


Haniraka famonjena avy any an-danitra ho ahy koa Izy; - fanalam-baraka no atolotry ny mpanenjika ahy! - Selà Haniraka ny hatsaram-pony amam-pahamarinany Andriamanitra.


Ka ny zava-manitra hosoloana lo; ny fehikibo hosoloana mahazaka; ny volo mivona, hosoloana loha sola; ny akanjo vity malalaka, hosoloana lasàka; ny hatsaran-tarehy, hosoloana tomboka amin’ny afo.


Fa misy firenena niakatra tamin’ny taniko sady mahery no tsy hita isa; ka ny nifiny dia nifin-diona; ary ny vazany vazan-diom-bavy.


Ary izany no nilazan’i Izaia rahateo hoe: «Raha tsy namelàn’Andriamanitry ny tafika, taranaka isika, efa tonga iray lasitra tamin’i Sôdôma, sy nanahaka an’i Gômôra.»


Toy izany koa ny vehivavy, mitondra fitafiana mendrika, miravaka am-pahamaotonana sy fahendrena; tsy randram-bolo, na volamena, na vato soa, na fitafiana sarobidy no atao,


Aoka ny firavakareo tsy ho zava-tsoa ivelany fotsiny, toy ny randram-bolo kanto, na ny firava-bolamena amana didy akanjo ara-pomba,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra