Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 9:5 - Baiboly Katolika

5 Tsy ny hamono azy anefa, fa ny hampanaintaina azy dimy volana no nasaina nataon’izy ireo, ary fanaintainana toy ny an’ny olona kaikerin’ny maingoka no hafitsony azy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Nefa tsy navela hahafaty azy izy fa ny hampanaintaina azy dimy volana; ary ny fanaintainana avy aminy dia tahaka ny fanaintainana avy amin’ny maingoka mamely olona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Kanefa tsy navela hahafaty ireo olona ireo ny valala fa ny hampanaintaina azy dimy volana ihany; ary ny fanaintainana nafitsony dia tahaka ny fanaintainana afitsoky ny maingoka rehefa manindrona olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Kanefa tsy navela hahafaty ireo olona ireo ny valala fa ny hampanaintaina azy dimy volana ihany; ary ny fanaintainana nafitsony dia tahaka ny fanaintainana afitsoky ny maingoka rehefa manindrona olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Nefa tsy navela hahafaty azy izy, fa ny hampanaintaina azy dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan’ny maingoka, raha mamely olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan'ny maingoka, raha mamely olona.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 9:5
12 Rohy Ifampitohizana  

Koa izao àry, jioga mavesatra no nampitondrain’idada anareo: hataoko mavesabesatra kokoa ny jioganareo. Kotopia no namaizan’idada anareo, fa maingoka kosa no hamaizako anareo.»


fa araka ny torohevitry ny tovolahy no nitenenany taminy, nataony hoe: «Nampahavesatra ny jioganareo idada, ary izaho hanavesabesatra kokoa izany aminareo; kotopia no namaizan’idada anareo, ary maingoka kosa no hamaizako anareo.»


Ka hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Indro atolotro eo an-tananao izy; ny ainy tokana no hany tsimbino».


Ary ianao, aza matahotra azy, ry zanak’olona, na matahotra izay teniny; fa miaraka amin’ny hery aman-tsilo ianao, sy miara-mitoetra amin’ny maingoka. Aza matahotra izay teniny na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka mpiodina izy.


Dia hoy i Jesoa hoe: «Tsy hanam-pahefana amiko ianao raha tsy nomena anao avy any ambony izany; koa izay nanolotra Ahy taminao no meloka kokoa noho ianao.»


Ary rehefa vita ny fanambaràn’izy ireo, dia hiady aminy ilay Biby hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa, ka haharesy azy sy hahafaty azy;


Ary nomena vava mitsaontsaona sy manevateva an’Andriamanitra izy, sady nomena fahefana hanaram-po roa amby efapolo volana.


Nomena fahefana hiady amin’ny olo-masina sy handresy ireo koa izy; ary nomena fahefana tamin’ny foko rehetra, sy ny fanjakana mbamin’ny samy hafa fiteny sy ny firenena rehetra.


ny rambony tahaka ny an’ny maingoka, sady nisy fitsindrona, ary ny rambony no nanan-kery hampanaintaina ny olona dimy volana.


Io setroka io indray, namoaka valala niely tetỳ an-tany, sady nomena hery toy ny an’ny maingoka etỳ an-tany ireo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra