Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 16:5 - Baiboly Katolika

5 Ary reko ny Anjelin’ny rano nanao hoe: «Marina Ianao izay ankehitriny sy taloha, ary masina Ianao izay nitsara toy izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary nandre ny anjelin’ny rano aho niteny hoe: Marina Ianao, Ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria nitsara toy izany Ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Ary reko ny anjely manam-pahefana amin’ny rano nanao hoe: «Ara-drariny tokoa no nataonao, ry Ilay ankehitriny sy taloha, dia ilay Masina; ara-drariny tokoa no nataonao raha nitsara toy izany Ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ary reko ny anjely manam-pahefana amin’ny rano nanao hoe: «Ara-drariny tokoa no nataonao, ry Ilay ankehitriny sy taloha, dia ilay Masina; ara-drariny tokoa no nataonao raha nitsara toy izany Ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary nahare ny anjelin’ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, Ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary nahare ny anjelin'ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao;

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 16:5
18 Rohy Ifampitohizana  

Sanatria Anao izay hanao izany, ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka. Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka! Sanatria Anao izany. Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina?»


Marina anefa i Iaveh, ka notapahiny ny famatorana nataon’ny ratsy fanahy.


Marina amin’ny lalany rehetra i Iaveh, ary mamindra fo amin’ny asany rehetra.


Tena marina i Iaveh, satria efa nandà ny didiny aho. Endrey! ry firenena rehetra ô, mba mihainoa ianareo, ary mijere ny alaheloko: ny virjiniko sy ny zatovoko lasan-ko babo.


Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto koa no nahalala fa Ianao no naniraka Ahy.


Fahatezeran’Andriamanitra anie no angonin’ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka ho anao, amin’ny andron’ny fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra e!


Fa raha ny tsy fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’Andriamanitra, ahoana àry no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra raha manampatra ny fahatezerany amintsika? (miteny araka ny fanaon’ny olona aho).


Mamangy ny Eglizy fito any Azia aho, Joany: ho ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana, avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; avy amin’ny Fanahy fito eo anoloan’ny seza fiandrianany;


Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.


nanao hoe: «Misaotra Anao izahay, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha izay ankehitriny sy taloha, fa naneho ny herinao lehibe Ianao, ka manjaka izao.


Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny ony sy ny loharano koa ny Anjely fahatelo, dia tonga ra ny rano.


Dia nisy hafa tao amin’ny ôtely reko nanao hoe: «Eny, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! marina sy ara-drariny ny fitsarànao.»


fa marina sy mahitsy ny fitsaràny, satria Izy nanameloka ilay Vehivavy janga malaza izay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany, sy namely an’io noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tanany.»


Samy nanana elatra enina avy ireo Zava-manana aina efatra ireo, feno maso ny manodidina ny tenany sy ny tao anatiny, ary tsy nitsahatra izy ireo, fa nilaza andro aman’alina hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra, mahefa ny zavatra rehetra, izay taloha sy ankehitriny ary ho avy.


Ary niantso tamim-peo mahery izy ireo, nanao hoe: «Ry Tompo masina sy marina ô! rahoviana re Ianao vao hitsara sy hanadina ny ranay amin’ny mponina eny ambonin’ny tany?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra