Apokalipsy 13:7 - Baiboly Katolika7 Nomena fahefana hiady amin’ny olo-masina sy handresy ireo koa izy; ary nomena fahefana tamin’ny foko rehetra, sy ny fanjakana mbamin’ny samy hafa fiteny sy ny firenena rehetra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20117 Ary navela hiady tamin’ny olona masina izy ka haharesy azy. Nomena fahefana tamin’ny fokom-pirenena, ny vahoaka, ny samihafa fiteny ary ny firenena rehetra izy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA7 Navela hiady amin’ireo olona anisan’ny vahoakan’Andriamanitra sy handresy azy koa ilay biby, ary dia nomena fahefana tamin’ny fokom-pirenena sy ny vahoaka mbamin’ny olona samy hafa fiteny sy ny firenena rehetra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara7 Navela hiady amin’ireo olona anisan’ny vahoakan’Andriamanitra sy handresy azy koa ilay biby, ary dia nomena fahefana tamin’ny fokom-pirenena sy ny vahoaka mbamin’ny olona samy hafa fiteny sy ny firenena rehetra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy7 Ary navela hiady tamin’ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin’ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra izy. Jereo ny tokoMalagasy Bible7 Ary navela hiady tamin'ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin'ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry. Jereo ny toko |
dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.