Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 12:6 - Baiboly Katolika

6 Fa Ravehivavy kosa nandositra nankany an’efitra, fa any no nanamboaran’Andriamanitra toerana ho azy, mba hamelomana azy mandritra ny enimpolo amby roan-jato sy arivo andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ravehivavy kosa dia nandositra nankany an-tany efitra, izay efa nisy toerany namboarin’Andriamanitra mba hovelomina any enimpolo sy roanjato sy arivo andro izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 Ravehivavy kosa nandositra nankany an-taniefitra, izay nisy toerana namboarin’Andriamanitra mba hamelomana azy mandritra ny 1 260 andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Ravehivavy kosa nandositra nankany an-taniefitra, izay nisy toerana namboarin’Andriamanitra mba hamelomana azy mandritra ny 1 260 andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin’Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 12:6
10 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay dia nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy Anjely tonga teo aminy ka nanompo Azy.


Nomena ela-boromahery lehibe roa anefa Ravehivavy, mba hanidinany ho any an’efitra amin’ny fitoerany, izay namelomana azy fotoana iray, sy fotoana roa, ary antsasaky ny fotoana, mba tsy hahitan’ilay menarana azy.


Nofinaokany tamin’ny rambony ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra ka nazerany tamin’ny tany. Dia nijoro teo anoloan-dRavehivavy hiteraka izy mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka.


Ary nomena vava mitsaontsaona sy manevateva an’Andriamanitra izy, sady nomena fahefana hanaram-po roa amby efapolo volana.


Dia nentiny am-panahy nankany an’efitra aho, ka inty Vehivavy nitaingina Biby mivolon-jaky, feno anarana fanevatevana an’Andriamanitra, fito loha sy folo tandroka, no hitako.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra