Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 11:11 - Baiboly Katolika

11 Nony afaka hateloana sy tapany anefa, dia nisy fanahin’aina avy amin’Andriamanitra, niditra tamin’ireo faty ireo, ka nijoro tamin’ny tongony izy, ary raiki-tahotra mafy izay nahita azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary rehefa afaka ny telo andro sy tapany dia nisy fanahin’aina avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’ireo dia nijoro tamin’ny tongony izy ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Taorian’ny telo andro sy tapany, dia nisy fofonaina avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’ireo faty ireo, ary nampijoro azy tamin’ny tongony; ka raiki-tahotra mafy izay olona nahita azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Taorian’ny telo andro sy tapany, dia nisy fofonaina avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’ireo faty ireo, ary nampijoro azy tamin’ny tongony; ka raiki-tahotra mafy izay olona nahita azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary rehefa afaka ny hateloan’andro sy tapany, dia nisy fanahin’aina avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’ireo, ary nijoro tamin’ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary rehefa afaka ny hateloan'andro sy tapany, dia nisy fanahin'aina avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo, ary nijoro tamin'ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 11:11
11 Rohy Ifampitohizana  

Vovo-tany no nanaovan’i Iaveh Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona.


Ary ny anaran’ity tanàna ity ho Ahy dia ho anaram-pifaliana sy fiderana amam-boninahitra, any amin’ny firenen-drehetra ambonin’ny tany, izay handre ny soa rehetra hataoko aminy; ho raiki-tahotra sy hangovitra ireny, mahita ny fiadanana amam-panambinana rehetra homeko azy ireo.


Rehefa afaka izany vao hibebaka ny zanak’i Israely, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, indray; hiverina amim-pangovitana amin’i Iaveh sy amin’ny hatsaram-pony izy ireo, amin’ny faran’ny andro.»


Dia raiki-tahotra mafy ny Eglizy manontolo sy izay rehetra nandre izany.


Nony nandre izany teny izany i Anania dia lavo, ka afaka ny ainy; ary raiki-tahotra izay tsy izy izay rehetra nandre izany.


Ary raha ny Fanahin’izay nanangana an’i Jesoa ho velona no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.


fa ny lalàn’ny Fanahin’ny aina no nanafaka ahy tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa.


«Fantatro fa efa nomen’i Iaveh anareo ity tany ity, satria izahay efa raiki-tahotra ny anaranareo; ny mponina rehetra amin’ity tany ity efa ketraka eo anoloanareo.


Ary tamin’izany ora izany, dia nisy horohoron-tany mafy, ka nirodana ny ampahafolon’ny tanàna, ary olona fito arivo no matin’izany horohoron-tany izany. Raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra ny Andriamanitry ny lanitra.


Olona samihafa firenena sy foko sy fiteny ary fanjakana, no hijery ny fatiny miampatra eo hateloan’andro sy tapany, fa tsy havelany halevina any am-pasana izy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra