Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Amosa 5:9 - Baiboly Katolika

9 Ataony mipoaka ny faharavana mamely ny mahery, ary mianjera amin’ny tanàna mimanda ny fandravana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery ka mihatra amin’ny tanàna mimanda ny fandravana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Izy no mampipoaka ny fandravana hamelezana ny mahery, ka iharan’ny fandravana tokoa ny tanàna mimanda.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Izy no mampipoaka ny fandravana hamelezana ny mahery, ka iharan’ny fandravana tokoa ny tanàna mimanda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, Ka dia mihatra amin’ny tanàna mimanda ny fandravana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka dia mihatra amin'ny tanàna mimanda ny fandravana.

Jereo ny toko dika mitovy




Amosa 5:9
7 Rohy Ifampitohizana  

«Vohay ny varavarankely tandrifin’ny atsinanana», dia namoha izy; ary hoy i Elisea: «Mandefasa zana-tsipìka iray»; ka nandefa zana-tsipìka iray izy; dia nataon’i Elisea hoe: «Zana-tsipìkan’ny famonjena avy amin’i Iaveh iny, dia zana-tsipìkan’ny famonjena hamelezana ny Sirianina. Fa hamely ny Sirianina ao Afeka ianao, mandra-paharingany.»


Nalain’i Jôasa zanak’i Jôakaza teo an-tanan’i Benhadada zanak’i Hazaela ireo tanàna nalain’i Hazaela tamin’ny adin’izy sy i Jôakaza rainy. Namely azy intelo i Jôasa dia azony indray ny tanànan’i Israely.


Ny habetsahan’ny fahavalonao, ho tahaka ny vovoka madinika; ary ny habetsahan’ny mpiady, ho toy ny akofa manidina.


fa tsy handeha akory izy ireo. Ary na dia horesenareo aza ny tafiky ny Kaldeanina rehetra izay miady aminareo, ka tsy hisy afa-tsy ny maratra no sisa aminy, dia samy mbola hitsangana ao an-dainy avy ihany ireo, ka handoro ity tanàna ity amin’ny afo.


Ka ny faingam-pandeha, tsy ho afa-mandositra; ary ny matanjaka, tsy hahavonjy ny ainy;


Ny famosavianao, hoesoriko eny an-tananao, ka tsy hisy mpimasy intsony eo aminao.


namono ny herin’ny afo, afaka tamin’ny lelan’ny sabatra, nositranina tamin’ny aretina, nampiseho herim-po tamin’ny ady, nampandositra ny miaramilan’ny fahavalo;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra