Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

2Makabeo 9:25 - Baiboly Katolika

25 heveriko manampy izany koa fa ireo mpanjaka mifanolotra sy ireo andriandahy mifanakaiky amin’ny fanjakana, mitsikilo ny toe-draharaha, sy miandry izay hitranga, ka dia notendreko ho mpanjaka i Antiôkosy zanako ilay efa napetrako tamin’ny ankabeazany aminareo, tamim-panafatrafarana fony aho nitety ireo faritany ambony; ary io nadika eo ambany io ny taratasy nampitondraiko azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Ankoatra izany, heveriko fa ireo mpanjaka sy ireo andriandahy mifehy tany mifanila amin’ny fanjakako dia mitily izay fotoana azony hararaotina sady miandry izay hitranga amiko. Koa notendreko ho mpanjaka i Antiôkosa zanako, ilay efa nasehoko sy nankiniko tamin’ny ankamaroanareo fony aho tsy maintsy nitety maika ny faritany am-patrana; ary io nadika eto ambany io ny taratasy nampitondraiko azy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Makabeo 9:25
0 Rohy Ifampitohizana  

Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra