Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

2Makabeo 8:9 - Baiboly Katolika

9 Tsy niandry i Ptôlemea fa raikitra nanao ny raharaha teo no ho teo, ka naniraka an’i Nikanôra zanak’i Patrôkla, iray amin’ireo sakaizan’ny mpanjaka voalohandohany nitondra miaramila 20.000, fara fahakeliny, avy amin’ny firenen-tsamihafa, handringanany ny firenen’ny Jody manontolo; nomeny azy ho mpanampy koa i Gôrjiasa, jeneraly zatra fatratra amin’ny zavatra momba ny ady.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Tsy niandriandry i Ptôlemeo fa naniraka an’i Nikanôra zanakalahin’i Patrôkla izay anisan’ny lohandohany amin’ireo «sakaizan’ny mpanjaka?». Tafika nisy antokony roapolo farafahakeliny sady avy amin’ny firenen-tsamihafa no nasaina nentin’i Nikanôra mba handringanany ny firenena jiosy manontolo, nomen’i Ptôlemeo ho mpanampy azy koa i Gôrjià jeneraly za-draharaha tokoa amin’ny zavatra momba ny ady.

Jereo ny toko dika mitovy




2Makabeo 8:9
0 Rohy Ifampitohizana  

Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra