Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 8:35 - Baiboly Katolika35 dia voaetrin’ireto nataony osa noho izy, noho ny vonjy avy amin’ny Tompo, ka nendahany ny fitafiam-boninahitra teny aminy, dia namakivaky ny saha toy ny mpandositra izy tsy nisy mpanotrona, ary niditra tao Antiôkia honjohonjon’izy irery, sady nivarilavo fa namoy ny tafiny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara35 nefa, noho ny vonjy avy amin’ny Tompo, dia nandresy azy kosa ireo noheveriny ho kanosa tokoa. Ka nendahan’i Nikanôra ny fanamiam-boninahitra teny aminy; dia nandositra namakivaky saha izy, tahaka ny andevo nitsoaka. Honjohonjon’izy irery no niditra tao Antiôkia, ka nambinina manokana izy na dia voa mafy aza ny tafiny. Jereo ny toko |