Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 7:23 - Baiboly Katolika23 Noho izany, ny Mpahary izao tontolo izao, izay namorona ny olombelona hatramin’ny nahaterahany, sy manapaka ny fiavian’ny zavatra rehetra, dia mbola hamerina aminareo ny fanahy amam-piainana, noho ny famindram-pony, satria noho ny fitiavanareo ny lalàny no anaovanareo tsy ho zavatra ny tenanareo ankehitriny.» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara23 Ilay Mpahary izao tontolo izao no namorona ny olombelona hatramin’ny nahatorontoronina azy sady Izy no foto-piavian’ny zava-drehetra; noho izany, mbola hamindra fo aminareo Izy, ka hamerina aminareo ny fanahy amam-piainana satria fitiavanareo ny lalànany no anaovanareo sorona ny tenanareo ankehitriny. Jereo ny toko |