Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 6:21 - Baiboly Katolika21 Nifankahazo tamin’i Eleazara hatry ny ela kosa, ireo voatendry hitarika izany fisoronana manohitra ny lalàna izany, ka nalainy mangingina izy, novokisany hampaka hena azo hanina sy nandrahoin’ny tenany ihany ary hody hihinana ny hena natao sorona, araka ny nandidian’ny mpanjaka; Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara21 Nifankahazo tamin’i Elehazara hatry ny ela kosa ireo lehilahy voatendry hitantana izany sakafon-tsorona manohitra ny lalàna izany. Ka nalainy mangingina i Elehazara nampirisihiny hampitondra hena avelan’ny lalàna hohaniny sy handrahoin’ny tenany ihany; dia eo am-pihinanana izany izy no mihatsaravelatsihy toa mihinana ny hena natao sorona, araka ny nandidian’ny mpanjaka. Jereo ny toko |