Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 4:38 - Baiboly Katolika38 Noho ny hatezerany, nasainy nesorina niaraka tamin’izay ny jaky teny amin’i Andrônika, dia norovitina ny fitafiany, notaritarihina eran’ny tanàna izy, ary naongany teo amin’ny toerana nanatanterahany tamin-kasahiana ny famonoana an’i Oniasa ihany, ilay tsy mifaditrovana, ka dia nasian’ny Tompo tamin’ny sazy tandrify azy izy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara38 Dia nirehi-pahatezerana i Antiôkosa, ka nampanesoriny niaraka tamin’izay ny fanamiana jaky teny amin’i Andrônika sady nampanendahiny ny fitafiany, dia nampitaritarihiny eran’ny tanàna izy hatrany amin’ilay toerana namonoany am-pitaka an’i Ônià; ka teo koa no nampamonoany an’ilay tsy mifaditrovana. Toy izany no nanoloran’ny Tompo an’i Andrônika ny sazy tandrify azy. Jereo ny toko |