Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 4:34 - Baiboly Katolika34 Koa nalain’i Menelasa mangingina kosa i Andrônika, ary notereny hamono an’i Oniasa. Dia nankany amin’i Oniasa i Andrônika, nanao hafetsena, nanolotra ny tanany havanana taminy, tamim-pianianana; raha efa izany, na dia nampiahiahy aza, nahatarika azy hivoaka avy ao amin’ny fialofany, dia novonoiny niaraka tamin’izay izy, tsy nasiany raharaha akory izay rariny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara34 Tamin’izay kosa dia nanao resaka mangingina tamin’i Andrônika, i Menelà ka nanery azy hamono an’i Ônià. Dia nankany amin’i Ônià i Andrônika, ary nanao hafetsena handresen-dahatra azy sady nandray tanana azy ombam-pianianana. Ka voatarik’i Andrônika hivoaka ny toeram-pialofany izy, na dia mbola nisy nampanahy azy ihany aza; saingy vantany vao tafavoaka i Ônià, dia novonoin’i Andrônika tsy niraharahany akory izay rariny. Jereo ny toko |