Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 2:13 - Baiboly Katolika13 Koa dia samy hita voatantara ireo zavatra ireo àry, na amin’ny taratasy fitahiry na amin’ny taratasy fitadidian’i Nehemia; hita ao koa ny nanorenan’i Nehemia fitahirizam-boky, sy nanangonany tao ny boky momba ny mpanjaka, ny mpaminany, sy ny an’i Davida, mbamin’ny taratasin’ny mpanjakan’i Persa, momba ny fanomezan’izy ireo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara13 «Ireo zava-nitranga ireo àry dia samy hita voatantara na ao amin’ny raki-tsoratra tranainy na ao amin’ny boky fitadidian’i Nehemià. Hita ao koa ny nanorenan’i Nehemià tranom-boky sy ny nanangonany teo ny boky momba ny mpanjaka na ny mpaminany sy ny lahatsoratr’i Davida ary ny taratasin’ireo amperôra persianina momba ny fanomezana ho an’ny tempoly. Jereo ny toko |