30 dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema, ny mpisorona, ny Levita, ny vahoaka rehetra, hatramin’ny lehibe indrindra sy ny kely indrindra, ary novakina teo anatrehan’izy rehetra, ny teny ao amin’ny bokin’ny fanekena, hita tao an-tranon’i Iaveh.
30 Dia niakatra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, ny lehilahy rehetra tamin’i Joda, ny mponina tany Jerosalema mbamin’ny mpisorona sy ny levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely. Dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tao amin’ny bokin’ny fanekena izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
30 Dia niaraka nankao an-tranon’ny TOMPO ireo mbamin’ny lehilahy rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, izany hoe ny mpisorona sy ny levita ary ny sarambabem-bahoaka rehetra na kely na lehibe. Novakin’i Jôsià teo anatrehan’ny besinimaro ny teny rehetra tao anatin’ny bokin’ny fanekempihavanana, dia ilay boky izay hita tao an-tranon’ny TOMPO.
30 Dia niaraka nankao an-tranon’ny TOMPO ireo mbamin’ny lehilahy rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, izany hoe ny mpisorona sy ny levita ary ny sarambabem-bahoaka rehetra na kely na lehibe. Novakin’i Jôsià teo anatrehan’ny besinimaro ny teny rehetra tao anatin’ny bokin’ny fanekempihavanana, dia ilay boky izay hita tao an-tranon’ny TOMPO.
30 Dia niakatra ho ao an-tranon’i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin’ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema mbamin’ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo amin’ny bokin’ny fanekena, izay hita tao an-tranon’i Jehovah.
30 Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo amin'ny bokin'ny fanekena, izay hita tao an-tranon'i Jehovah.
Dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Jodà, ny mponina ao Jerosalema rehetra, ny mpisorona, ny mpaminany sy ny vahoaka rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, ka novakiny teo anatrehan’izy ireo ny teny rehetra tao amin’ny bokin’ny fanekem-pihavanana izay hita tao an-tranon’i Iaveh.
Izao no didy nomen’ny mpanjaka ny vahoaka rehetra: «Mankalazà ny Paka, ho fanajana an’i Iaveh Andriamanitrareo, araka ny voasoratra amin’ity bokin’ny fanekena ity.»
Izao no didy efa nomen’ny mpanjakan’i Siria an’ireo komandin’ny an-kalesiny nataony hoe: «Aza misy asianareo na ny kely na ny lehibe, afa-tsy ny mpanjakan’i Israely ihany.»
Aza mizaha tavan’olona amin’ny fitsarànareo; henoy toy ny lehibe ny kely; aza matahotra olona na iza na iza, fa an’Andriamanitra ny fitsarana; ary izay zavatra sarotra loatra aminareo, ento aty anatrehako ho henoko.