Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 32:28 - Baiboly Katolika

28 Nanao trano fitahirizam-bokatra izy, na varimbazaha, na divay, na diloilo, tranom-pihinanam-biby ho an’ny biby fiompy isan-karazany, ary nanana biby fiompy ao an-tranom-biby.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 ary nanao tanàna fitahirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, ary nanamboatra trano miefitrefitra hitoeran’ny biby fiompy samihafa karazana ary vala hitoeran’ny ondry aman’osy koa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

28 nanao trano fitahirizam-bokatra izy, dia vokatra toy ny vary sy ny divay ary ny menaka; ary nanao trano fisoko izy ho an’ny biby fiompy samy hafa sy nanao trano ho an’ny ondry aman’osy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 nanao trano fitahirizam-bokatra izy, dia vokatra toy ny vary sy ny divay ary ny menaka; ary nanao trano fisoko izy ho an’ny biby fiompy samy hafa sy nanao trano ho an’ny ondry aman’osy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 ary tanàna fitehirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, sy trano miefitrefitra hitoeran’ny biby fiompy samy hafa karazana ary vala hitoeran’ny ondry aman-osy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 ary tanàna fitehirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, sy trano miefitrefitra hitoeran'ny biby fiompy samy hafa karazana ary vala hitoeran'ny ondry aman'osy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 32:28
6 Rohy Ifampitohizana  

I Isakara dia ampondra tomady, Mandry eo anatin’ny valany;


Koa ankehitriny, lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida, hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry no nangalako anao ho andriana amin’ny vahoakako, amin’i Israely, ary izay nalehanao nombako anao avokoa;


Nanao tilikambo tany an’efitra koa izy; ary nihady lavaka famorian-drano betsaka, fa nanana biby fiompiny maro tany, sy tany amin’ny Sefelà mbamin’iny tany lemaka avo, ary nanana mpiasa amam-pamboly voaloboka koa tany an-tendrombohitra sy tany Karmela, fa tia asa tany izy.


Nanan-karena amam-boninahitra be i Ezekiasa. Nahatonga rakitra miavosa izy, dia volafotsy, volamena, vato soa, zava-manitra, ampinga ary zavatra mahate hanana isan-karazany.


Nanao tanàna maro ho azy izy, ary nanana andiany maro izy, tamin’ny omby sy ny ondry, fa nomen’Andriamanitra harena be dia be.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra