Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 29:22 - Baiboly Katolika

22 Dia novonoiny ny ombalahy ka noraisin’ny mpisorona ny ra, nararany teo ambonin’ny ôtely ny ra; novonoiny ny zanak’ondry dia nararany teo ambony ôtely ny ra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Dia novonoiny ny vantotra ombilahy, ary noraisin’ny mpisorona ny ra ka nafafiny tamin’ny alitara; novonoiny koa ny ondrilahy dia nafafiny tamin’ny alitara ny rany; novonoiny koa ny zanak’ondry dia nafafiny tamin’ny alitara ny rany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

22 Dia novonoina ny ombilahy, ary nalain’ny mpisorona ny ra ka nararany tamin’ny alitara; novonoina koa ny ondrilahy sy ny zanak’ondry ka samy nararaka tamin’ny alitara ny rany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Dia novonoina ny ombilahy, ary nalain’ny mpisorona ny ra ka nararany tamin’ny alitara; novonoina koa ny ondrilahy sy ny zanak’ondry ka samy nararaka tamin’ny alitara ny rany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Dia novonoiny ny vantotr’ombilahy, ary noraisin’ny mpisorona ny ra ka natopiny tamin’ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin’ny alitara ny rany; ary novonoiny koa ny zanak’ondry, dia natopiny tamin’ny alitara ny rany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy, ary noraisin'ny mpisorona ny rà ka natopiny tamin'ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny; ary novonoiny koa ny zanak'ondry, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 29:22
9 Rohy Ifampitohizana  

Novonoin’ny Levita ny Paka, ary ny mpisorona nandray ny ra avy any an-tanan’ireo sy nandraraka azy, ary ny Levita kosa tamin’izay dia nanoditra ny sorona.


Izy no hamono ny vantotr’ombalahy eo anatrehan’i Iaveh; ary ireo mpisorona zanak’i Aarôna kosa, hanolotra ny ra sy handraraka azy manodidina eo ambonin’ny ôtely izay ao amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana.


hanentina ra ny tandroky ny ôtely, izay eo anatrehan’i Iaveh ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny ra rehetra eo ambodin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, izay eo anoloan’ny trano lay fihaonana.


Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran-tsorona, hanentina ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana amin’izany, ary hanidina ny ra rehetra eo an-tongotry ny ôtely.


Ny mpisorona hanentina ra ny tandroky ny ôtely fandoroan-java-manitra, izay eo anatrehan’i Iaveh ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny ra rehetra avy amin’ny ombalahy eo ambodin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, izay eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana.


Dia novonoina izy, ary i Môizy nanidina ny rany manodidina tamin’ny ôtely.


Nampanatoniny koa ny zanak’i Aarôna, dia notentenany ra ny tendron-dravin-tsofin’izy ireo ankavanana, ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana, vao naidiny manodidina ny ôtely ny ra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra