Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 20:33 - Baiboly Katolika

33 Saingy ny fitoerana avo no tsy voarara, ary ny vahoaka no mbola tsy niraiki-po mafy tamin’ny Andriamanitry ny razany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 kanefa tsy mba noravana ireo toerana fanaovana sorona; fa ny olona dia tsy mbola nampitodika ny fony hitady ny Andriamanitry ny razany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

33 Kanefa ny toeram-panasinana tsy voafongotra, hany ka tsy mbola niraiki-po mafy tamin’ilay Andriamanitry ny razany ny vahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Kanefa ny toeram-panasinana tsy voafongotra, hany ka tsy mbola niraiki-po mafy tamin’ilay Andriamanitry ny razany ny vahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa ny olona tsy mbola nampiomana ny fony hitady an’Andriamanitry ny razany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa ny olona tsy mbola nampiomana ny fony hitady an'Andriamanitry ny razany.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 20:33
11 Rohy Ifampitohizana  

Nanao ny ratsy izy, satria tsy nandraikitra ny fony amin’ny fitadiavana an’i Iaveh.


Nandidy an’i Jodà mba hitady an’i Iaveh Andriamanitry ny razany, sy hanatanteraka ny lalàna aman-didy izy.


Tsy foana anefa ny fitoerana avo teo amin’i Israely, na dia lavorary aza ny fon’i Asà tamin’ny andro niainany rehetra.


Nitombo ny herim-pony teo amin’ny lalan’i Iaveh, ka noravany koa ny fitoerana avo mbamin’ny aserah teo amin’i Jodà.


Saingy mba nisy soa hita taminao ihany, fa nesorinao tamin’ny tany ny aserah ary niraiki-po tamin’ny fitadiavana an’Andriamanitra ianao.»


Nandeha tamin’ny lalana nalehan’i Asà rainy izy, ka tsy nivily tamin’izany, fa nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh.


«I Iaveh mpamindra fo anie hamela heloka an’ireo nandraikitra ny fony hitady an’Andriamanitra, i Iaveh, Andriamanitry ny razany, na dia tsy ananany aza ny fahadiovana ilaina ao amin’ny fitoerana masina.»


Mbola nanao sorona teny amin’ny fitoerana avo ihany ny vahoaka, nefa tsy ho an’iza fa ho an’i Iaveh Andriamaniny.


Mandrak’androany anefa dia mbola tsy nomen’i Iaveh fo mahalala sy maso mahita ary sofina mahare ianareo.


Efapolo taona no nitondrako anareo tany an’efitra; nefa ny fitafiana teny an-koditrareo tsy tonta, ny kapa tamin’ny tongotrareo tsy tonta,


Ka hoy i Samoela tamin’ny tranon’i Israely rehetra; «Raha miverina amin’i Iaveh amin’ny fonareo rehetra tokoa ianareo, dia esory hiala eo aminareo ny andriamani-kafa sy ny Astarte, ary araiketo mafy amin’i Iaveh ny fonareo, ka Izy irery ihany no tompoy, ka hanafaka anareo amin’ny tanan’ny Filistinina Izy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra