Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Samoela 4:6 - Baiboly Katolika

6 Nony niroso hatreo afovoan-trano haka vary izy ireo, dia nasiany tamin’ny kibony izy. Ary i Rekaba sy i Baanà rahalahiny dia nitsoriaka an-tsokosoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Dia niditra tao an-trano i Rekaba sy i Bana rahalahiny haka vary ka namely azy tamin’ny kibony dia lasa nandositra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6-7 Dia niditra tao an-trano toy ny mpaka vary i Rekaba sy i Bahanà rahalahiny; koa rehefa hitany i Isbôsèta fa nandry teo am-parafara tao an’efitra fatoriany, dia notrobarany ny kibony. Rehefa matin’izy roalahy izy, dia notapahiny ny lohany ary nentiny nandositra; ka nandritra ny alina no nandehanany namaky ny lemak’i Arabà.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6-7 Dia niditra tao an-trano toy ny mpaka vary i Rekaba sy i Bahanà rahalahiny; koa rehefa hitany i Isbôsèta fa nandry teo am-parafara tao an’efitra fatoriany, dia notrobarany ny kibony. Rehefa matin’izy roalahy izy, dia notapahiny ny lohany ary nentiny nandositra; ka nandritra ny alina no nandehanany namaky ny lemak’i Arabà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary niditra tao anaty trano Rekaba sy Bana rahalahiny haka vary, ka namely azy tamin’ny kibony, dia lasa nandositra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary niditra tao anaty trano Rekaba sy Bana rahalahiny haka vary, ka namely azy tamin'ny kibony, dia lasa nandositra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 4:6
5 Rohy Ifampitohizana  

Fa tsy nety nivily i Asaela. Tamin’izay dia nasian’i Abnera tamin’ny antse-defona ny kibony, ary niboroaka tamin’ny lamosiny ny lefona, ka nitsingidina teo, maty teo no ho eo izy. Niato avokoa izay rehetra tonga teo amin’ny toerana nahalavoany sy nahafatesan’i Asaela.


Tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tanan’i Jôaba i Amasà, kanjo nasiany tamin’ny kibony izy, ka nampivaroraka ny tsinainy tamin’ny tany; tsy nasiany fanindroany akory izy dia maty. Dia rafitra nanenjika an’i Sebà zanak’i Bokrì i Jôaba sy i Abisaia rahalahiny.


Nony tafaverina tao Hebrôna dia nentin’i Jôaba nihataka kely tao anaty vavahady, toy ny hiresaka aminy moramora; kanjo nony mby tao, nofatsahany tamin’ny kibony izy; dia maty izy noho ny amin’ny ran’i Asaela, rahalahin’i Jôaba.


Roa no lehiben’ny antokon’olon’ny zanaka lahin’i Saola, dia i Baanà ny anankiray, ary i Rekaba ny anankiray, samy zanak’i Remôna avy ao Berôta amin’ny taranak’i Benjamina. Fa natao isan’i Benjamina koa i Berôta,


Dieny mbola niatoato teo izy ireo dia efa lasa nitsoaka i Aoda, sy tafahoatra ny sampy vato ary nandositra tany Seirata.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra