2Samoela 4:10 - Baiboly Katolika10 Ny olona tonga tao amiko hilaza ny vaovao hoe indro fa maty i Saola, ary nihevitra fa nitondra zava-baovao tsara, nefa nasaiko nosamborina sy novonoina ho faty tany Sikelega ho valin’ny vaovao tsara nentiny, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201110 ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty i Saoly, ka nihevitra ny tenany ho mpitondra teny mahafaly dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga mba hanomezako azy ny valin’ny teny mahafaly noentiny! Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA10 ka izao no hizingiziniko: Ilay nanambara tamiko ny nahafatesan’i Saoly, ka nihevitra ny tenany ho mpitondra vaovao mahafaly, dia efa nosamboriko ary novonoiko ho faty tao Tsiklaga. Izany no nasetriko azy tamin’ny vaovao mahafaly nentiny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara10 ka izao no hizingiziniko: Ilay nanambara tamiko ny nahafatesan’i Saoly, ka nihevitra ny tenany ho mpitondra vaovao mahafaly, dia efa nosamboriko ary novonoiko ho faty tao Tsiklaga. Izany no nasetriko azy tamin’ny vaovao mahafaly nentiny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy10 ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty Saoly, ka nanao ny tenany ho mpitondra teny mahafaly, dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga, hanomezako azy ny valin’ ny teny mahafaly nentiny; Jereo ny tokoMalagasy Bible10 ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty Saoly, ka nanao ny tenany ho mpitondra teny mahafaly, dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga. hanomezako azy ny valin'ny teny mahafaly nentiny; Jereo ny toko |