Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Samoela 3:8 - Baiboly Katolika

8 «Ahoana no nandeha tamin’ny vaditsindranon’Ikaky ianao?» Ka tezitra mafy i Abnera noho ny tenin’i Isbôseta ka namaly hoe: «Lohan’alika anisan’i Jodà va aho? Amin’izao, mampiseho fitiavana ny tranon’i Saola, rainao, sy ny rahalahiny aman-tsakaizany aho, ary tsy nanolotra anao ho eo an-tanan’i Davida ka dia izao ianao no manìny ahy amin’ny hadisoana tamin’iny vehivavy iny?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia tezitra mafy i Abnera noho ny tenin’Isboseta ka hoy izy: Lohan’alika miandany amin’ny Joda va aho? E! Izato izaho manisy soa ny taranak’i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tanan’i Davida, nefa izaho izao dia helohinao noho ny amin’iny vehivavy iny?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Tezitra mafy i Abinera noho izany tenin’i Isbôseta izany ka nilaza hoe: –Alikalahy miandany amin’i Joda angaha aho? Mandraka ankehitriny dia naneho fitiavana ny fianakavian’i Saoly rainao sy ny rahalahiny ary ny sakaizany aho, ka tsy nanolotra anao ho eo an-tanan’i Davida, nefa ianao indray izao no manameloka ahy noho ny hadisoako tamin’iny vehivavy iny?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Tezitra mafy i Abinera noho izany tenin’i Isbôseta izany ka nilaza hoe: –Alikalahy miandany amin’i Joda angaha aho? Mandraka ankehitriny dia naneho fitiavana ny fianakavian’i Saoly rainao sy ny rahalahiny ary ny sakaizany aho, ka tsy nanolotra anao ho eo an-tanan’i Davida, nefa ianao indray izao no manameloka ahy noho ny hadisoako tamin’iny vehivavy iny?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin’Isboseta, ka hoy izy: Lohan’alika no miandany amin’ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan’i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan’i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin’iny vehivavy iny?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin'Isboseta, ka hoy izy: Lohan'alika no miandany amin'ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan'i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan'i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin'iny vehivavy iny?

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 3:8
16 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy i Abisaia zanak’i Sarvià tamin’ny mpanjaka: «Ahoana no anozonan’ilay alika maty io ny mpanjaka tompoko? Avelao kely aho handeha hanapaka ny lohan’io!»


Tamin’izany kosa i Abnera zanak’i Nera, lehiben’ny foloalindahin’i Saola, dia naka an’i Isbôseta, zanak’i Saola, ka rehefa nentiny nankany Mahanaîma izy,


koa misikìna àry ankehitriny, fa i Iaveh nilaza tamin’i Davida hoe: Amin’ny tanan’i Davida, mpanompoko, no hanafahako an’i Israely vahoakako amin’ny tanan’ny Filistinina, sy amin’ny tanan’ny fahavalony rehetra.»


Hoentin’Andriamanitra amin’izay ngidiny indrindra anie i Abnera raha tsy hataoko amin’i Davida araka izay nianianan’i Iaveh taminy,


Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza, dia tsy iza fa ianao no nitondra an’i Israely nivoaka sy niditra. Ary i Iaveh nilaza taminao nanao hoe: Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andriamanitr’i Israely.»


Niankohoka izy, sady nanao hoe: «Zinona moa ny mpanomponao no itodihanao ny alika maty tahaka ahy?»


Fa hoy i Hazaela: «Zinona moa ny mpanomponao, izay alika foana ity, no dia hahavita zava-dehibe toy izany?» ary namaly i Elisea: «Efa nasehon’i Iaveh tamiko fa ho mpanjakan’i Siria ianao.»


nony nitsangana hitsara Andriamanitra; sy hamonjy ny olo-mahantra rehetra amin’ny tany. - Selà


Iza no notsiratsirainao sy nompanao? Hamely an’izay no nanandratanao feo, sy niandranandrànanao maso? -


Aza misy enti-manefa voady any an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao, na ny tangim-behivavy janga na ny hofan’alikalahy, fa samy fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao, ireo zavatra roa ireo.


Dia hoy i Samoela taminy: «Efa notriarin’i Iaveh ho afaka aminao androany ny fanjakan’i Israely, ary efa nomeny ny namana akaikinao izay tsara noho ianao.


Hoy ilay Filistinina tamin’i Davida: «Fa izaho angaha alika, no tehina no hankanesan’ialahy atỳ amiko?» Dia nanozona an’i Davida amin’ireo andriamaniny ilay Filistinina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra