Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Samoela 3:12 - Baiboly Katolika

12 Dia nandefa iraka nankany amin’i Davida i Abnera hilaza aminy, amin’ny anarany, hoe: «An’iza ny tany? Manaova fanekena amiko, dia homba anao ny tanako hampihodina an’i Israely rehetra hankaminao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Naniraka olona tany amin’i Davida niaraka tamin’izay i Abnera mba hisolo vava azy hiteny hoe: An’iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko dia indro homba anao ny tanako ka hampanaiky ny Israely rehetra anao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Naniraka olona amin’ny anarany nankany amin’i Davida i Abinera hanontany azy izay tompon’ny tany ka nanao hoe: «Manaova fanekena amiko fa hanampy anao aho hahatonga an’i Israely manontolo hiara-dia aminao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Naniraka olona amin’ny anarany nankany amin’i Davida i Abinera hanontany azy izay tompon’ny tany ka nanao hoe: «Manaova fanekena amiko fa hanampy anao aho hahatonga an’i Israely manontolo hiara-dia aminao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary Abnera dia naniraka olona tany amin’i Davida niaraka tamin’izay hanao hoe: An’iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tànako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary Abnera dia naniraka olona tany amin'i Davida niaraka tamin'izay hanao hoe: An'iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 3:12
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary izao koa no holazainareo amin’i Amasà: Tsy taolako ama-nofoko va ianao? Hataon’i Iaveh amiko anie izay ngidiny indrindra, raha tsy ho tonga filohan’ny tafika eo anatrehako mandrakariva ianao, ho solon’i Jôaba.»


Nandroso nankany Galgalà ny mpanjaka dia niaraka taminy i Kamaama, ary ny lehilahy rehetra amin’i Jodà, sy ny antsasaky ny lehilahy amin’i Israely samy nanotrona ny mpanjaka.


«Saforanao henatra anio ny tavan’ny mpanomponao rehetra, izay namonjy ny ainao androany, sy ny ain-janakao lahy sy zanakao vavy, ny aim-badinao ary ny aim-baditsindranonao.


Tsy nahavaly an’i Abnera i Isbôseta, na indraimbava aza, fa natahotra azy.


Ary novaliany hoe: «Tsara izany; hanao fanekena aminao aho, fa zavatra iray loha no angatahiko aminao, dia ny tsy hahitanao ny tavako raha tsy entinao atỳ amiko i Mikola zanaka vavin’i Saola rehefa ho avy ianao hifankahita tava amiko.»


Ary hoy i Abnera tamin’i Davida: «Hitsangana aho ka hiainga hamory an’i Israely rehetra ho atỳ amin’ny mpanjaka tompoko, ary hanao fanekena aminao izy, ka hanjaka amin’izay rehetra irin’ny fonao ianao.» Dia nalefan’i Davida i Abnera ka nandeha amim-piadanana.


Nony tafaverina tao Hebrôna dia nentin’i Jôaba nihataka kely tao anaty vavahady, toy ny hiresaka aminy moramora; kanjo nony mby tao, nofatsahany tamin’ny kibony izy; dia maty izy noho ny amin’ny ran’i Asaela, rahalahin’i Jôaba.


Hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: «Tsy fantatrareo va fa mpifehy ary lehilahy ambony amin’i Israely no maty androany?


Matokia Azy mandrakariva, rey vahoaka; aborahy eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no fialofantsika. - Selà


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra