2Samoela 24:3 - Baiboly Katolika3 Fa hoy i Jôaba tamin’ny mpanjaka: «Hampitomboin’i Iaveh Andriamanitrao anie ny vahoaka injato toy izao, ka ny mason’ny mpanjaka tompoko anie hahita izany! fa ahoana ange ny mpanjaka tompoko no mitady hafaliana manao izany?» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20113 Fa hoy i Joaba tamin’ny mpanjaka: NY TOMPO Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan’ny mason’ny mpanjaka tompoko izany; fa inona no antony itiavan’ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany? Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA3 Fa hoy i Jôaba namaly ny mpanjaka: –Hampitomboin’ny TOMPO Andriamanitrao ho injaton’izao anie ny vahoaka; ka ho hitan’ny masonao izany, ry andriamanjaka! Fa inona loatra ange no antony hanaovanao izany, ry andriamanjaka? Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara3 Fa hoy i Jôaba namaly ny mpanjaka: –Hampitomboin’ny TOMPO Andriamanitrao ho injaton’izao anie ny vahoaka; ka ho hitan’ny masonao izany, ry andriamanjaka! Fa inona loatra ange no antony hanaovanao izany, ry andriamanjaka? Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy3 Fa hoy Joaba tamin’ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampi-tombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan’ny mason’ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan’ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany? Jereo ny tokoMalagasy Bible3 Fa hoy Joaba amin'ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan'ny mason'ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan'ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany? Jereo ny toko |