Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Samoela 2:12 - Baiboly Katolika

12 Nivoaka avy ao Mahanaîma i Abnera zanak’i Nera, mbamin’ny mpanompon’i Isbôseta zanak’i Saola hamely an’i Gabaôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary i Abnera, zanak’i Nera, sy ny mpanompon’Isboseta, zanak’i Saoly, dia niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Niala tao Mahanaîma i Abinera zanakalahin’i Nera sy ny mpanompon’i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly ka nankany Gibehôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Niala tao Mahanaîma i Abinera zanakalahin’i Nera sy ny mpanompon’i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly ka nankany Gibehôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary Abnera, zanak’i Nera, sy ny mpanompon’Isboseta, zanak’i Saoly, niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary Abnera, zanak'i Nera, sy ny mpanompon'Isboseta, zanak'i Saoly, niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 2:12
9 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy izy nahita ireo: «Tobin’Andriamanitra ity;» dia nataony hoe Mahanaîma ny anaran’izany fitoerana izany.


Dia hoy i Absalôma sy ny lehilahy rehetra amin’i Israely: «Aleo ny hevitr’i Kosaia Arakita toy izay ny hevitr’i Akitôfela.» Fa efa notapahin’i Iaveh ny mampanjary ho tsinontsinona ny hevitra tsara nomen’i Akitôfela, mba hampidiran’i Iaveh loza amin’i Absalôma.


Tamin’izany kosa i Abnera zanak’i Nera, lehiben’ny foloalindahin’i Saola, dia naka an’i Isbôseta, zanak’i Saola, ka rehefa nentiny nankany Mahanaîma izy,


Dia niteny tamin’i Iaveh i Jôsoe tamin’ny andro nanoloran’i Iaveh ny Amôreana tamin’ny zanak’i Israely, ka hoy izy teo imason’ny zanak’i Israely: «Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’i Gabaôna ary ianao, ry volana, ambonin’ny lohasaha Ajalôna.»


Dia raiki-tahotra mafy izy, satria i Gabaôna dia tanàna lehibe toy ny iray amin’ny tanànan’andriana, lehibe aza noho i Haia, sady lehilahy mahery avokoa ny ao aminy.


«Miakara atỳ amiko ianareo, avia hanampy ahy hamelezantsika an’i Gabaôna, satria nanao fihavanana tamin’i Jôsoe sy ny zanak’i Israely izy.»


I Gabaôna, i Ramà, i Berôta,


Fa ny mponina tao Gabaôna kosa, nony nandre ny nanaovan’i Jôsoe an’i Jerikô sy i Haia,


Ka raha izy no mahery eo am-piadiana amiko ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay, fa raha izaho kosa no mandresy sy mahafaty azy dia ho ambany fahefanay ianareo sy ho mpanomponay».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra