Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Samoela 16:3 - Baiboly Katolika

3 Dia hoy ny mpanjaka: «Fa aiza ny zanaky ny tomponareo?» Ary hoy ny navalin’i Sibà tamin’ny mpanjaka: «Indro fa nijanona any Jerosalema izy», fa hoy izy: «Hampodin’ny taranak’i Israely amiko izao ny fanjakan’ikaky.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin’ny tomponao? Hoy i Ziba tamin’ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian’ny taranak’Israely ny fanjakan’Ikaky ho ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Ary nanontany azy indray ny mpanjaka hoe: –Fa mba aiza i Mefibôseta, zafin’i Saoly tomponao? Dia hoy ny navalin’i Tsibà ny mpanjaka: –Nijanona any Jerosalema izy, satria noheveriny fa ankehitriny no hampodian’ny Israelita ny fanjakan-draibeny aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ary nanontany azy indray ny mpanjaka hoe: –Fa mba aiza i Mefibôseta, zafin’i Saoly tomponao? Dia hoy ny navalin’i Tsibà ny mpanjaka: –Nijanona any Jerosalema izy, satria noheveriny fa ankehitriny no hampodian’ny Israelita ny fanjakan-draibeny aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin’ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin’ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian’ny taranak’Isiraely ny fanjakan’ikaky ho ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin'ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian'ny taranak'Isiraely ny fanjakan'ikaky ho ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 16:3
13 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Sibà: «Indro fa anao avokoa izay rehetra nananan’i Mifibôseta.» Dia hoy i Sibà: «Mihohoka amin’ny faladianao aho, ka aoka hahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko ô!»


Hofongorako, ny mpifosa mandrovitra ny namany mangingina. Ny olona misolanandrana sy bontsinin’ny hambom-po, tsy ho tohako.


Tsy manendrikendrika amin’ny lelany izy, tsy manisy ratsy ny rahalahiny, tsy manala baraka ny namany.


Tahaka ny rano tondraka, dia manodidina ahy tontolo andro izany, miara-mitangorona amiko avokoa izany.


«Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.»


Izany no lalan’ny olona rehetra fatra-pila harena; fa ny tombom-pihariana maharesy an’izay mitana azy.


Ny vavolombelona mandainga, ho faty; fa ny olona mihaino kosa manan-kalahatra mandrakariva.


Aza mino izay sakaiza ianareo, na matoky izay ifankazarana indrindra: na eo anatrehan’ilay mandry eo am-pofoanao aza dia tano ny teny ao am-bavanao!


Mila loza ireo, fa tafiditra amin’ny lalan’i Kaina izy, sy tafahitsoky ny tamby amin’ny hadisoan’i Balaama, ary nanary tena amin’ny fikomian’i Kôre.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra