Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Samoela 13:2 - Baiboly Katolika

2 Niritra aina i Amnôna ka nandraiki-narary terỳ noho ny amin’i Tamara anabaviny, fa virjiny ity izy, ka noheverin’i Amnôna fa toa tsy ho azony atao na inona na inona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Nararim-pitia noho ny amin’i Tamara anabaviny i Amnona, satria virijiny izy ka sarotra tamin’i Amnona ny haka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Niferinaina i Amnôna ary nandraiki-narary noho ny amin’i Tamara anabaviny, satria virijiny izy io ka sarotra tamin’i Amnôna ny haka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Niferinaina i Amnôna ary nandraiki-narary noho ny amin’i Tamara anabaviny, satria virijiny izy io ka sarotra tamin’i Amnôna ny haka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin’i Amnona ny haka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin'i Amnona ny haka azy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 13:2
5 Rohy Ifampitohizana  

Tatỳ aorian’izany dia nanana anabavy tsara tarehy kosa i Absalôma zanak’i Davida; Tamara no anarany, ary tia azy io i Amnôna zanak’i Davida.


Nanan-tsakaiza anankiray atao hoe Jônadaba i Amnôna; zanak’i Semmaa rahalahin’i Davida izy io, ary lehilahy fetsy loatra i Jônadaba.


Nody tany an-tranony i Akaba, nanjombona sy sosotra noho ity teny nolazain’i Nabôta avy any Jezrahela taminy hoe: «Tsy omeko ny lovako avy amin’ny razako.» Dia nandry teo am-parafara izy, nampiamboho ny tavany ary tsy nihinan-kanina.


Miangavy anareo aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema, raha mahita ny malalako ianareo, ahoana no holazainareo aminy...? - Mararim-pitia aho. -


fa ny alahelo araka an’Andriamanitra dia miasa hahatonga fibebahana mahavonjy, ka tsy anenenana; fa ny alahelon’izao tontolo izao no miasa hahatonga fahafatesana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra