Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Samoela 13:1 - Baiboly Katolika

1 Tatỳ aorian’izany dia nanana anabavy tsara tarehy kosa i Absalôma zanak’i Davida; Tamara no anarany, ary tia azy io i Amnôna zanak’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Nony afaka izany dia izao no nitranga: Nanana anabavy tsara tarehy i Absaloma, zanak’i Davida, Tamara no anarany; ary tia azy i Amnona, zanak’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Izao no nitranga taorian’izany: I Absalôma zanakalahin’i Davida dia nanana anabavy tsara tarehy natao hoe Tamara. Raiki-pitia taminy i Amnôna zanakalahin’i Davida anankiray.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Izao no nitranga taorian’izany: I Absalôma zanakalahin’i Davida dia nanana anabavy tsara tarehy natao hoe Tamara. Raiki-pitia taminy i Amnôna zanakalahin’i Davida anankiray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak’i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak'i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak'i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 13:1
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Jakôba tia an-dRasela ka nanao hoe: «Hanompo anao fito taona aho, mba hahazoako an-dRasela zanakao vavy aivo.»


Dia nanompo fito taona i Jakôba, mba hahazoany an-dRasela, ary toa andro vitsy foana teo imasony izany, noho ny fitiavany azy.


Raiki-pitia tamin’i Dinà, zanaka vavin’i Jakôba, ny fon’i Sikema, ka tia an-drazazavavy ary nanao teny malefaka taminy izy.


dia hitan’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olombelona, ka naka vady tamin’izy ireo izy, dia tamin’izay rehetra tiany.


Indray hariva raha ilay avy niarina avy teo am-pandriana iny i Davida ka nitsangantsangana teo amin’ny tafon-tranon’ny mpanjaka, dia tazany avy eo ambony tafon-trano ity vehivavy anankiray nandro, ary tsara tarehy erỳ ravehivavy io.


Niaraka tamin’izay dia halan’i Amnôna fatratra razazavavy ary tafahoatra lavitra ny fitiavana nitiavany azy taloha ny halam-po nankahalàny azy, ka hoy i Amnôna taminy: «Mitsangàna ianao, ka mandehana any.»


Niritra aina i Amnôna ka nandraiki-narary terỳ noho ny amin’i Tamara anabaviny, fa virjiny ity izy, ka noheverin’i Amnôna fa toa tsy ho azony atao na inona na inona.


Zanaka lahy telo no teraka tamin’i Absalôma sy zanaka vavy iray natao hoe: Tamara, vehivavy tsara tarehy io.


Afa-tsy ny zanaka vavin’i Faraôna, maro koa ny vehivavy hafa firenena tian’i Salômôna, dia ny Moabita, ny Amônita, ny Edômita, ny Sidonianina, ny Heteanina,


i Absalôma zanak’i Maakà, zanaka vavin’i Tolmaia mpanjakan’i Gesora, fahatelo; i Adoniasa zanak’i Hagita, fahefatra;


Ireo no zanaka lahin’i Davida rehetra, fa ny zana-baditsindranony, tsy nisaina. Ary anabavin’ireo i Tamara.


Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Iaveh ihany no hoderaina.


Aza maniry ny hatsaran-tarehiny, ao am-ponao, ary aza mety hambosin’ny hodi-masony ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra