Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Korintiana 9:8 - Baiboly Katolika

8 Moa araka ny hevitr’olombelona fotsiny ve no ilazako izany, sa mba lazain’ny Lalàna ihany koa izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa mba milaza izany koa ny lalàna?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Tsy hoe araka ny fiheveran’ny besinimaro ihany no itenenako izany fa na ny lalànan’i Mosesy koa aza dia milaza izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Tsy hoe araka ny fiheveran’ny besinimaro ihany no itenenako izany fa na ny lalànan’i Mosesy koa aza dia milaza izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa?

Jereo ny toko dika mitovy




1Korintiana 9:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan’ny maraina ho azy.»


Koa mandrava ny Lalàna amin’ny finoana va isika? Sanatria! fa mainka mampiorina ny Lalàna isika.


Fa raha ny tsy fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’Andriamanitra, ahoana àry no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra raha manampatra ny fahatezerany amintsika? (miteny araka ny fanaon’ny olona aho).


Miteny araka ny fanaon’ny olona aho, noho ny fahalemen’ny nofonareo: tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana, no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.


Araka ny fanao amin’ny Eglizin’ny olona masina rehetra, dia aoka hangina ny vehivavy ao am-piangonana; fa tsy tandrify azy ny miteny ao, ka dia aoka hanoa izy, sady araka ny voalazan’ny Lalàna koa izany.


Sambatra kokoa anefa izy raha mipetraka amin’izao. Izany no hevitro: ary ataoko fa izaho koa dia manana ny Fanahin’Andriamanitra.


Ampahafantariko anareo, ry kristianina havana, fa ny Evanjely izay notoriko taminareo, dia tsy mba avy amin’olombelona;


Noho izany, dia tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra koa izahay, satria tamin’ny nandraisanareo ny tenin’Andriamanitra notorinay, dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany, fa noraisinareo, araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra izay miasa ao anatinareo efa mino.


Koa izay manamavo izany didy izany, dia tsy manamavo olombelona, fa manamavo an’Andriamanitra, Izay nanome ny Fanahiny Masina ho ao aminareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra