Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Korintiana 5:10 - Baiboly Katolika

10 Tsy dia ny mpijangajangan’izao tontolo izao anefa, na ny kahihitra, na ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy, no antsoiko amin’izany, satria raha izany dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin’izao tontolo izao, na ny fatra-pitia harena sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Tsy hoe izay mpijangajanga, na mpitia harena, na mpanao an-keriny, na mpanompo sampy eto amin’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Tsy hoe izay mpijangajanga, na mpitia harena, na mpanao an-keriny, na mpanompo sampy eto amin’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin’izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin'izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




1Korintiana 5:10
18 Rohy Ifampitohizana  

Nitsangana ilay Farisianina ka nivavaka tao am-pony hoe: ‹Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy Poblikanina itsy akory aza;


Raha olon’izao tontolo izao ianareo, dia ho tian’izao tontolo izao satria azy; fa noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao dia halan’izao tontolo izao ianareo.


Nitory ny Anaranao tamin’ny olona nomenao Ahy ao amin’izao tontolo izao Aho; Anao izy ireo, ka nomenao Ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy.


Mangataka ho azy ireo Aho. Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy, satria Anao izy ireo


Fa hoy Izy tamin’izy ireo: «Ianareo avy etỳ an-tany, Izaho avy any an-danitra; ianareo olon’izao tontolo izao; Izaho tsy mba olon’izao tontolo izao.


Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitr’izao tontolo izao? Tsy nahariharin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao?


Raha misy tsy mpino manasa anareo, ka te handeha ianareo, dia hano izay arosony anareo, ary aza manontany akory noho ny fieritreretana.


Fa hany noheveriko, dia ny tsy hiharoharoanareo amin’izay mitondra ny anarana hoe havana iray finoana, nefa mpijangajanga, na kahihitra, na mpanompo sampy, na mpifosa, na mpimamo, na mpanao an-keriny; fadio na ny miara-komana amin’ny olona toy izany aza.


Nanoratra taratasy taminareo aho, nilaza fa tsy tokony hifanerasera amin’ny mpijangajanga ianareo.


izany hoe amin’ireo tsy mino nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao mba tsy hiposahan’ny fahazavam-boninahitry ny Evanjelin’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra.


ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan’izao tontolo izao, sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin’ny zanaky ny tsy finoana.


mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao,


Avy amin’izao tontolo izao izy ireny, ka izany no anaovany fitenin’izao tontolo izao, sy ihainoan’izao tontolo izao azy.


Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.


Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa mipetraka ao amin’ilay Ratsy avokoa.


ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin’ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra