Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 1Makabeo 9:69 - Baiboly Katolika69 Loza ny hatezerany tamin’ireo Jody izay mpankahala ny fivavahana, nanome hevitra azy ho tonga atỳ amin’ny taniny, ka namonoany maro be izy ireo; dia nanapa-kevitra hody any amin’ny taniny izy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara69 Loza ny hatezeran’i Bakida tamin’ny Jiosy mpankahala fivavahana, satria ireo no nanome hevitra azy ho tonga aty amin’ny taniny; ka maro tamin’ireo Jiosy ireo no nampamonoany ho faty. Avy eo dia nanapa-kevitra i Bakida ny hody any amin’ny tany fiaviany. Jereo ny toko |